Songadina

« Tara jiro » : zanaka filoham-pokontany maty voatifitra

Narahin’ireo dahalo tamin’ny alalan’ny jiro mazava “lampe de poche” teny an-tanany, maty voatifitra ny basy ny zanaky ny sefom-pokontany iray tao anatin’ny distrikan’Ihorombe, ny alin’ny alatsinainy teo. Maty notifirin’ny olon-dratsy ny zanaky ny sefom-pokontany tao Satrokala, distrikan’Ihorombe, afakomaly alina. Tamin’ny 7 ora sy sasany hariva, nisy olona nihaodihaody tao an-to­kontan’ […]

Mihantsy zandary : jiolahy voatifitra tao an-dakazerina

Manafika any an-dakazerina ny jiolahy, ankehitriny. Ny zandary manao fisafoana any ivelany, miaro vahoaka. Ny tokantranony anefa hanaovan-dry zalahy tantely afa-drakotra. Mangarom-biby an-davaka! Rotiky ny balan’ny mpitandro filaminana ny jiolahy na­maky tranona zandary iray tao anatin’ny toby “Gallieni” Toamasina, afakomaly. Tany am-panatontosana ny asany, nanao fisafoana, ny mpitandro filaminana iray […]

Fitsenana ny Barea de Madagasikara : nisy ny torana, zaza very, mamo toaka diso tafahoatra

Niombom-po sy naneho hafaliana ny olona rehetra, omaly tamin’ny fandraisana ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Raha teo amin’ny lafiny fitandroana ny filaminana, niantrana teny amin’ireo lalana nandalovan’ny mpilalao hatreny Mahamasina ny mpitandro filaminana. Hentitra ny fitandroana ny filaminana nanomboka teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Samy nanao izay ho afany koa ny […]

Tanàna nifanafika: olona enina maty, trano miisa fito may

Nifanafika ny mponina ao Besakoakely, kaominina Esira sy ny avy amin’ny tananan’i Emitray, ny asabotsy lasa teo. Vokany, olona enina maty. Nisy trano fito may. Velona ny hazolava tao amin’ny fokontany Be­sakoakely, kaominina Esira, distrikan’Amboasary atsimo, ny asabotsy hariva teo. Nitrangana fanafihana nataon’ andian’olona tao an-toerana. Mafy ny fifandonana teo […]