Nihaona tamin’ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny tontolon’ny lavanila ny filoha Rajoelina Andry, omaly, tao Sambava. Nivoitra tamin’izany ireo fepetra sy ny fijerena manokana ireo tantsaha, mba hahazoan’izy ireo tombony. Nitafa mivantana tamin’ ireo rehetra tafiditra amin’ny seha-pihariana lavanila ny Filoha sy ny Praiminisitra. Nohenoina avokoa ireo hetaheta sy olana ho […]
Songadina
Kaominina Antananarivo Renivohitra: ankizin’ny lalana 360 haverina amin’ny fianakaviany
Nankalazaina omaly, teny amin’ny kianjan’Alarobia, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny ankizin’ny lalana. Fanentanana ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny eto amin’ny firenena mba handray andraikitra amin’ny fikarakarana ny ankizin’ny lalana no tanjon’ny hetsika. Mba hisitrahan’izy ireo zo mitovy amin’ny rehetra. Ezaka tsy maintsy hatao alohan’ny faran’ny taona ny hamerenana ankizin’ny lalana maherin’ny 360 […]
Fanafihana mitam-basy: jiolahy efatra voatifitra, adjidàn’ny Tafika ny iray
Maty voatifitra ny miaramila iray, voalaza fa mpamatsy basy sy ny jiolahy telo saika hanafika mpandraharaha, omaly. Tratran’ny polisy mpitsongo-dia izy ireo. Raikitra ny fifampitifirana. Maty voatifitry ny polisy ny Adjidà am-perinasa iray, miasa amin’ny vondron-tafiky ny Tafondro mavesatra na ny R3A, eny Ambalamanasa, Toamasina, omaly. Voalaza fa mpiray tendro […]
Tao anatin’ny telo volana : nahery vaika ny fifandonana, 12 ireo jiolahy lavo tao Toamasina
Tsy ankitsitsy! 12 sahady ireo jiolahy matin’ny mpitandro filaminana tamin’ny raharaha mafana toy ny fanafihana tao Toamasina, tao anatin’ny telo volana. Tao Toamasina renivohitra avokoa ny 11 tamin’ireo olon-dratsy maty ireo. Lavo tany Mahanoro ny roa hafa. Nahatrarana basy poleta 2 niaraka tamin’izy ireo. Ho an’ireo olona voatery nosamborina, tafakatra […]
Natelin’ny rano: niara-maty izy mianaka
Nampahonena ny nanjo ireto mpianaka. Niara-maty an-drano, rehefa namonjy fodiana. Avy namangy fianakaviana tamin’ny andro fety izy ireo. Niara-maty an-drano ny reniny sy ny zanany vavy, afakomaly. Tao amin’ny renirano Antarandrandrosiana, anatin’ny kaominina Itremo, distrikan’Ambatofinadrahana no nisehoan’ izany. Niala tao an-tranony tamin’ny 6 avrily, hamangy ny ray aman-dreniny amin’ny tanàna […]




