Songadina

Hanaovana “Ody gasy”: loharan’ireo olon-dratsy ny voamason-drazana

Zava-doza no nafitsok’ireto olona efatra mianadahy, tao Vangaindrano, afakomaly. Noloharan’izy ireo, tany anaty fasam-pianakaviana ny voamason’ny razana miisa valo. Namadika azy ireo anefa ny ati-maso 16, nentina nitadiavana mpividy. Nidina ifotony avy hatrany ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena taorinan’ny fanomezam-baovao nataona olon-tsotra, afakomaly. Nilaza ny loharanom-baovao, niantso an-telefaonina fa: “Misy andian’olona […]

Tototry ny tany: mpitrandraka vato roa lahy namoy ny ainy

Vokatry ny ratsak’orana ampian’ny danik’andro! Maty nihotsahan’ny tany ny roa lahy mpitandrandraka vato, tao Ambalamahatsara, kaominina Ambanivohitra Fenoarivo, distrikan’Ambatofinandrahana, omaly maraina. Nanao ny asany toy ny isan’andro, nangady ny tany fangalany vato « Triphane » tao Ambalamahatsara Ratsima sy ny namany,  omaly maraina. Tsy nampoizin’izy mirahalahy ireto anefa ny zava-nitranga fa nihotsaka […]

INDRAIMBAVA 17/11/22

Mba saro-piaro ! Andro vitsy sisa no isaina dia higadona ny fanombohan’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany ho an’ny lalao baolina kitra na ny Mondial 2022.  Anisan’ny mampiavaka azy amin’ity taona ity ny toerana handraisana ny lalao sy ny kolontsain’ny mponina ao aminy: Qatar. Firenena silamo, sarotiny amin’ny fanajana ny soatoavina sy […]

Indraim-bava 16/11/22

Etika ! Ambetinteny matetika ny hoe simba ny fiainan-dRamalagasy. Very hasiny ny firenena sy ny vahoaka ao aminy. Mety ho fitsarana miainga amin’ny fomba fijery miiba izany, kanefa misy hisainana ihany koa. Izay indrindra no hisintonana  ny lakolosy anio, mba hanaitairana antsika rehetra amin’ity mandrimandry manana aretina ity.  Trangam-piarahamonina tsy takona […]

Dimy andro nigadrana: zandary nanao kolikoly maty tao am-ponja

Maty tao am-ponjan’Antanimora, omaly, ny zandary kilasy faharoa, nanao kolikoly sy nangalatra tahirin-kevitra momba ny fanadihadiana nataony. Dimy andro taorian’ny nigadrany no nisehoan’izany. Nivoaka ra ny vavany! “Tsy mbola fantatra mazava ny antony nahafaty azy, miandry ny valin’ny autopsie isika”, izay no namalian’ny loharanom-baovao avy ao amin’ny fonjan’Antanimora, omaly (fanadihadiana […]