Songadina

Sinoa nanao hosoka: polisy nirahany hamono mpiasam-panjakana

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka (MSP) tamin’ny alalan’ny sampandraharaha misahana ny seraseran’ny polisim-pirenena momba ilay raharaha vonoan’olona ka nahafatesana mpirakidraharaha sy inspecteur des impôts, ny 15 novambra 2022 teny Ambohimahatsinjo Imerinkiasinina. Toy izao ny santionany amin’ireo fanambarana navoakan’ny MSP : Ny polisim-pirenena dia manamarina fa misy tokoa polisy […]

Indraimbava: Tadiavina ny very !

Trangam-piarahamonina sady mateti-pitranga no mampivarahontsana amin’izao fotoana izao ny vono olona etsy sy eroa. Samy manana ny antony avokoa ny rehetra fa ny iraisan’izy ireo dia baikoan’ny tombontsoa manokana, ka miafara amin’ny fanaovana sorona ny ain’ny hafa. Manginy fotsiny ny tendrom-po tsy mba namana miaro fikorontanan-tsaina. Ny lonilonim-piarahamonina tsotra, vokatry […]

Fitiavana sy vola: mpihira nolerana antsy imbalo

Atidoha nikotrika ny famonoana an’i Tsoa, mpihiran’ny VHF ny “sakaizany”, araka ny tatitry ny zandary. Roa lahy no nadatsaka ny ainy. Lehilahy iray hafa, mpiray tsikombakomba. Niakatra fampanoavana, nidoboka am-ponja avokoa ireo olona efatra tompon’antoka tamin’ny raharaha famonoana an’i Tsoa mpihira tao amin’ny tarika VHF, omaly. Taorian’ny nahitana ny vantana […]

Hanaovana “Ody gasy”: loharan’ireo olon-dratsy ny voamason-drazana

Zava-doza no nafitsok’ireto olona efatra mianadahy, tao Vangaindrano, afakomaly. Noloharan’izy ireo, tany anaty fasam-pianakaviana ny voamason’ny razana miisa valo. Namadika azy ireo anefa ny ati-maso 16, nentina nitadiavana mpividy. Nidina ifotony avy hatrany ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena taorinan’ny fanomezam-baovao nataona olon-tsotra, afakomaly. Nilaza ny loharanom-baovao, niantso an-telefaonina fa: “Misy andian’olona […]

Tototry ny tany: mpitrandraka vato roa lahy namoy ny ainy

Vokatry ny ratsak’orana ampian’ny danik’andro! Maty nihotsahan’ny tany ny roa lahy mpitandrandraka vato, tao Ambalamahatsara, kaominina Ambanivohitra Fenoarivo, distrikan’Ambatofinandrahana, omaly maraina. Nanao ny asany toy ny isan’andro, nangady ny tany fangalany vato « Triphane » tao Ambalamahatsara Ratsima sy ny namany,  omaly maraina. Tsy nampoizin’izy mirahalahy ireto anefa ny zava-nitranga fa nihotsaka […]