Songadina

Jery taratra…

Efa zotram-pifidianana izao… Nifarana ny fisoratana anarana isan-tokantrano amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Tsy tratra ny vinan’ny Ceni hoe 13,5 tapitrisa ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana. Na ny 10 tapitrisa aza, tsy tratra ny 31 janoary niafaran’ny fanisana mpifidy eny anivon’ny tokantrano. Na izany aza, nambaran’ny eo anivon’ny […]

Governoran’ny BFM : hofehezina ny fidangan’ny vidim-piainana

Handray ny asany ny governora vaovao ny Banky foiben’i Madagasikara, Andrianarivelo Aivo. Tsapany tokoa fa ilaina ny haha marin-toerana ny Ariary ary mila fehezina ny fidangan’ny vidim- piainana. Mankato ny fanendrena ny governoran’ny Banky foiben’i Ma­da­gasikara (BFM) ny filankevitry ny minisitra, aorian’ny soso-kevitra aroson’ny filankevi-pitananana. Nandray ny fianianany, omaly, ny […]

Fitsaram-bahoaka: saika hangalatra kisoa, voakapa famaky ny lohany

Naratra mafy vokatry ny hatezeran’ny fokonolona, mpangalatra kisoa iray namoy ny ainy tao amin’ny fokontany Tsimanao, kaominina Ivato-Centre, distrikan’ Am­bositra afakomaly tolakandro. Nangalatra kisoa tao amin’io fokontany io, saron’ny tompom-biby ity lehilahy ity. Mbola nandà, arak’izany, ny tenany fa tsy mpangalatra. Tsy vitan’io, niezaka nampitahotra ireo olona nikasa hisambotra azy […]

Filoha Rajoelina Andry: “Ny fotodrafitrasa efa natomboka tsy maintsy faranana”

Nitondra fanazavana, manoloana ny hevi-dison’ny sasany. Notsiahivin’ny filoha Rajoelina Andry indray tany Marovoay, omaly, ny nambarany tany Ilaka Est, Vatomandry. Nambarany tamin’izany ny hijerena ny sosialim-bahoaka. “Rehefa niteny aho hoe ajanona aloha ny fotodrafitrasa, tsy midika izany fa tsy hanao fotodrafitrasa intsony isika. Ny fotodrafitrasa efa natomboka tsy maintsy faranana”, […]