Miverina am-ponja ny minisitra teo aloha, Rolly Mercia. Tsy nahafaka azy ny fanalefahan-tsazy indroa miantoana. Efa namoahana didy tsy mahazo mivoaka any ivelany rahateo izy Tapitra tamin’ny 16 janoary teo ny sazin’ny minisitra teo aloha Rahajason Harry Laurent na i Rolly Mercia. Mbola any am-ponja izy hatramin’izao. Tsy ampy nivoahany […]
Songadina
Savorovoron’ny mpanakanto: tafiditry ny mpanararaotra, jiolahy tratra nanendaka
Nisehoana savorovoro teo amin’ny samy mpanakanto teny Mahamasina, omaly. Nandritra ny fivoriam-be, nikasa hiditra tao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena, ny mpihira Rossy sy ny mpitsoka mozika. Tsy tafiditra anefa izy ireo. Nosakanan’ny mpanakanto namany, noho ny filanjana sora-baventy maneho ny tsy fankasitrahana ny minisitry ny Serasera sy ny […]
Nitsindrona “héroïne”: jeneraly polisy voasambotra
Voasambotra tamina hotely eny amin’ny By-Pass, ny kaomisera divizionera iray. Tratra am-bodiomby, nitsindrona zava-mahadomelina mahery vaika izy. Tratra teo am-pitsindronana zava-mahadomelina mahery vaika ny kaomisera divizionera iray eo anivon’ny polisim-pirenena. Nosamborina tao amina hotely eny amin’ny lalan’ny By-Pass izy, ny alatsinainy alina tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany. “Mbola […]
Olana teknika : fiaramanidina nianjera, maty ny mpanamory
Nitrangana lozam-piaramanadina namoizana ain’olona tao Mangalahala fokontany Andilanatoby distrikan’ Ambatondrazaka, omaly maraina. Tra-doza tamin’ny fiaramanidina kely an’ny Kaompania Aeromarine, 5RAAR-PA28, ny lehilahy iray vao erotrerony fantatra amin’ny anarana i Landry Razanajafy, 25 taona nikasa ho any Mananara. Niainga teto Antananarivo, nizotra soamantsara ny diany ka mbola tonga teny an’habakabaka Ambatondrazaka […]
Ambasadaoro Arnaud Guillois: “Tsy mitsabaka amin’ny fifidianana eto i Frantsa”
Nitondra fanazavana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra rehetra eo amin’i Frantsa sy i Madagasikara ny ambasadaoro Frantsay, Arnaud Guillois, omaly, teny Ivandry. Voaresaka ny lafiny politika sy ny Nosy manodidina ary koa ny toekarena. “Tsy mitsabaka amin’ny raharaha anatiny amin’ny fifidianana hatao amin’ity taona ity i Frantsa. Miandrandra izany ho demokratika […]