Nanamarika ny fetin’ny Noely, ny teo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, omaly, teny Iavoloha. Nanafatrafatra ny mpiasa ny filoha Rajoelina Andry mivady, tamin’izany. “Mila ezaka sy fahitsiana avy amintsika mpiasa eto anivon’ny fiadidiana ny Repoblika ny firenena. Aoka ho fitaratra sy ho modely amin’ny asa manoloana ireo Andrimpanjakana sy Minisitera. Mitaky […]
Songadina
Jly Rakotonirina Richard: mampitandrina ny mpanakorontana
Hentitra ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Richard, momba ny fisian’ireo mikasa hanakorontana eto amin’ny firenena. Eo anilan’ny filoham-pirenena hatrany ny Foloalindahy… “Isika Foloalindahy malagasy dia mandray fepetra mialoha mba hisorohana ny krizy mety hitranga satria tandroka aron’ny vozona ary natao hiaro ny fiandrianam-pirenena. Vaindohan-draharaha ny fiarovana ny vahoaka […]
Fanapahan’ny HCC : “Tsy azo raisina ny fangatahana hevitra nataon’ny HCDDED”
Mitady hanakaiky ny “Mitombina fa tsy azo raisina” teo aloha ihany? Novalian’ny HCC, omaly, ny momba ny fangatahana hevitra, niainga amin’ny fitorian’ireo depiote napetraky ny Filankevitra ambony ho an’ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna (HCDDED). “Tsy azo raisina izany”, hoy ny avy etsy Ambohidahy, namaly ny avy eny Soanierana. Nasongadin’ireo […]
Filoha Rajoelina Andry : miantso firaisankina sy fifankatiavana
Nosokafan’ny filoha Rajoelina Andry, ho an’ny daholobe ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra. Ho mariky ny fankalazana ny Noely anatin’ny fifankatiavana izany. Navoitran’ny filoha Rajoelina tamin’ny lahateniny fohy ny fampahatsiahivana ny Noely. “Natao hankalazaina anaty fifankatiavana sy firaisankina ary anatin’ny fahazavana izany. Ny hazavan’i Jesoa anie hanazava ny fontsika sy ny firenentsika ahafahana […]
Vono olona : miaramila kaporaly migadra mandra-pahafatiny
Norarahana poizina ny sakafon’ny mpamily, ary novonoina tamin’ny fomba mahatsiravina izy avy eo. Notetehina sy nosarahana tamin’ny vatany ny tanany, vaky ny lohany ary mbola norarahana asidra ny vatany sy ny filahiany. Niakatra fitsarana, ny alatsinainy teo, Rakotozafy Justin Pritchard, miaramila kaporaly miasa ao amin’ny toby Analakinina Hopitalibe, Toamasina. Voarohirohy […]