Manoloana ny fitarainan’ireo mpivarotra etsy amin’ny Petite Vitesse, nandefa iraka manokana teny an-toerana ny filoham-pirenena, omaly, nihaona tamin’izy ireo. Niditra an-telefaonina mivantana tamin’ireo mpivarotra koa izy ary nitafa tamin’ ireo mpivarotra. Nambaran’ny filoha tamin’izany fa omena alalana malalaka hivarotra ireo mpivarotra, ho fitsinjovana azy ireo hiatrika ny fety. “Fanapahan-kevitra nifampidinihana […]
Songadina
Fiadidiana ny Repoblika: mitaky asa ahitam-bokatra sy mba ho modely ny filoha
Nanamarika ny fetin’ny Noely, ny teo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, omaly, teny Iavoloha. Nanafatrafatra ny mpiasa ny filoha Rajoelina Andry mivady, tamin’izany. “Mila ezaka sy fahitsiana avy amintsika mpiasa eto anivon’ny fiadidiana ny Repoblika ny firenena. Aoka ho fitaratra sy ho modely amin’ny asa manoloana ireo Andrimpanjakana sy Minisitera. Mitaky […]
Jly Rakotonirina Richard: mampitandrina ny mpanakorontana
Hentitra ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Richard, momba ny fisian’ireo mikasa hanakorontana eto amin’ny firenena. Eo anilan’ny filoham-pirenena hatrany ny Foloalindahy… “Isika Foloalindahy malagasy dia mandray fepetra mialoha mba hisorohana ny krizy mety hitranga satria tandroka aron’ny vozona ary natao hiaro ny fiandrianam-pirenena. Vaindohan-draharaha ny fiarovana ny vahoaka […]
Fanapahan’ny HCC : “Tsy azo raisina ny fangatahana hevitra nataon’ny HCDDED”
Mitady hanakaiky ny “Mitombina fa tsy azo raisina” teo aloha ihany? Novalian’ny HCC, omaly, ny momba ny fangatahana hevitra, niainga amin’ny fitorian’ireo depiote napetraky ny Filankevitra ambony ho an’ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna (HCDDED). “Tsy azo raisina izany”, hoy ny avy etsy Ambohidahy, namaly ny avy eny Soanierana. Nasongadin’ireo […]
Filoha Rajoelina Andry : miantso firaisankina sy fifankatiavana
Nosokafan’ny filoha Rajoelina Andry, ho an’ny daholobe ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra. Ho mariky ny fankalazana ny Noely anatin’ny fifankatiavana izany. Navoitran’ny filoha Rajoelina tamin’ny lahateniny fohy ny fampahatsiahivana ny Noely. “Natao hankalazaina anaty fifankatiavana sy firaisankina ary anatin’ny fahazavana izany. Ny hazavan’i Jesoa anie hanazava ny fontsika sy ny firenentsika ahafahana […]