Nanazava ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina, omaly. Niresaka mahakasika ny fifofoana ny ainy koa izy. Anisan’ny vaovao mahaliana ny mponin’Antananarivo ny tohin’ny fifofoana ny ain’ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina. Nitondrany valin-teny tamin’ny mpanao gazety rahateo izany, nandritra ny fandaharana manokana notontosainy niaraka tamin’ny haino aman-jery […]
Songadina
CUA : Nohalefahana ny hetran-trano, tsy mandoa ny fiangonana sy sekoly
Nirovy tsy ara-potoana tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna Analakely ny eo anivon’ny filankevitra monisipaly, omaly. Anton’izany ny fangatahan’ny mpanatanteraka amin’ny hanalefahana ny hetra. Nodinihina nandritra izany ny fanitsiana ny fanapahana “Déliberation N°002-CUA/ CM/Délib.22” momba ny fanalefahana ny hetran’ny taona 2021 sy ny 2022 ho an’ireo mpandoa hetra rehetra manerana ny boriborintany […]
Nirefodrefotra ny basy: jiolahy roa voatifitra, tafaverina ny volabe
Nirefodrefotra ny basy teny Ambatomirahavavy, omaly atoandro. Lavon’ny zandarimaria ny jiolahy roa, nandroba vola mitentina 17 tapitrisa Ar. Atao hazalambo ireo namany. Nanakoako teny Ambatomirahavavy ny poa-basy, omaly. Nifanenjehana ireo mpandroba, nikasa ny haka ilay volabe t$anaty sakaosy. Niala maina anefa rehefa tonga ara-potoana ny zandary. Tafaverina ny vola. Taorian’ny […]
Fihaonana tamin’ny HCC : manao tombana ny fanomanana fifidianana ny Sadc
Mitohy ny fihaonan’ny eo anivon’ny iraky ny Sadc amin’ireo mpisehatra politika sy ireo lehiben’Andrimpanjakana. Anisan’ny nihaona tamin’izy ireo ny filohan’ny HCC, Rakotoariso Florent, tamin’ity herinandro ity. “Tonga eto izy ireo mijery ny fanomanana sy ny fikarakarana ny fifidianana ary koa ny hanatsarana izany. Eo koa ny tombana nataon’izy ireo manoloana […]
Jiolahy efa-dahy nirongo basy : voaroba ny lavanila 90 kg sy vola antapitrisany
Nanaovan’ireo jiolahy rotsak’alina, nirefotra ny basy ka lasa ny vola antapitrisany tao amin’ny fokontany Ambondrona, distrikan’Antalaha, ny alin’ny 27 hifoha ny 28 novambra teo. Niditra an-keriny tao amina tokantrano iray anatin’ny fokontany Ambondrona ireo efatra mirahalahy nirongo basy, ny alin’ny asabotsy hifoha ny alahady teo. Notifirin’ireto mpandroba ireto avy hatrany […]