Nomarihina, omaly, ny andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny kolikoly. Nampita hafatra momba izany ny eo anivon’ ny Bianco, manoloana ny tranga miseho eto amin’ny firenena. “Tsy maintsy akatona miaraka ireo hirika manome vahana ny fanaovana tantely afa-drakotra ny volam-panjakana sy ny harem-pirenena. Andao hiara-mientana hitsipaka ny tsikombakomba sy ny tambajotran’ny tsimatimanota […]
Songadina
Nangalatra 7 000 Ar : zazavavikely nafatotra tongotra aman-tanana
«Zanaka tiana tsy hitsitsian-drotsakazo», hoy ny Ntaolo. Mivadika ho heloka bevava kosa rehefa mihoatra ny tokony ho izy. Saika maty noho ny vono nataon-dreniny ny zazavavikely tratra nangala-bola, omaly. Tsy misy fo nangoraka amin’ny maha reny! Sady nodarodarohany no nofatoran’ny ramatoa tamin’ny tady ny zazavavikely iray, omaly, tao amin’ny tanànan’i […]
Mandriambero : lehilahy iray nitsoraka tao ambany kamiao
Tranga mampalahelo. Raim-pianakaviana iray 35 taona namoy ny ainy, omaly, rehefa avy nitsoraka tao ambany kamiao nandalo teny Mandriambero Andranotapahana. Tokony ho tamin’ny 01 ora tolakandro teo, nandeha tahaka ny olon-drehetra eny amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra izy. Nahita kamiao iray nandalo, avy hatrany dia nitsoraka tao ambanin’ny kodiarana. “Nandeha mora […]
CUA – Fondation Viseo: mifanampy mamaha ny olan’ny fako
Taotrano tsy efan’ny irery ny fanadiovana ny renivohitra, manana adidy iombonana ny rehetra. Nitondra ny anjara birikiny, amin’ny famahana ny olan’ny fako ny Fondation Viseo. Nanolotra « Engin » iray hanampiana ny CUA amin’ny fandraofana fako sy « Ordinateur complet » miisa 50 entina hanatsarana ny tolotra omena ny vahoaka manerana ny […]
Ankorondrano : notokanana ny lalana Ranohisoa Seth
Notokanana, omaly, ny lalana Ranohisoa Seth etsy Ankorondrano. Tonga nanatrika izany ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina. Nataon’ ny ben’ny Tanàna ho laharam-pahamehana ny fametrahana ireo anaran-dalana eto Antananarivo Renivohitra, ho an’ireo olomanga sy raiamandreny, noho ny fankasitrahana ny soa nataony teto Antananarivo sy ireo mpiara-belona rehetra nifanerasera taminy ary […]