Nanamarika ny dian’ny filoha Rajoelina mivady, tany Etazonia ny fihaonana tamin’ny filoha tale jeneralin’ny “Millennium Challenge Corporation – MCC’, i Alice Patterson Albright. Noderain’ ity tompon’andraikitra ity ny ezaka natao ka nahazoan’ny firenena naoty tsara amin’ny ankamaroan’ireo fepetra takian’ny MCC, ahazoana ny famatsiambola. Eo ny fitondrana tsara tantana, ny fahafahana […]
Songadina
Tapaka tsokan-damosiny : tsy azo didiana, malemy i Sedera kely
Tsy azo esorina ny bala taraiky anatin’ny vatan’i Sedera kely. Tapaka ny tsokan-damosiny, malemy ny tapany ambany. Tsy afaka mivalan-drano. Tsy azo didiana mba ho fiarovana ny ainy, araka ny fanambaran’ny Profesora Rajaonahary Toky, etsy amin’ny CHUJRA. Trangam-piarahamonina iray, sady mampalahelo no mahasorena amin’ny afitsoky ny tsy fandriampahalemana ny nanjo […]
CUA sy ny mpivarotra : miray feo ho an’Antananarivo madio sy milamina
Notanterahina tetsy amin’ ny Tranompokonolona Analakely, ny alarobia teo, ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny fikambanan’ny mpivarotra miisa sivy (Andravoahangy, Ambohimanarina, Anjomakely, Ambohijatovo, Andrianjaka, Tsimialonjafy, Ampasampito, Anosibe). Fanehoana fahavononana hanome tanana an’Antananarivo amin’ny fomba fandaminana rehetra sy ny fanatsarana ary ny hanovana ny rafitra sy ny […]
“Maison Blanche” : noraisin’ny filoha amerikanina ny filoha Rajoelina
Anisan’ny niavaka amin’ny fihaonana an-tampony eo amin’i Etazonia sy Afrika ny nandraisan’ny filoha Amerikanina, Joe Biden ny filoha Rajoelina Andry tao amin’ny “Maison Blanche” any Washington. Dinika manokana natao, mialoha ny fivoriana iaharana tamin’ny ireo filoham-panjakana avy amin’ny firenena afrikanina efatra hafa, anisan’ny hikarakara fifidianana amin’ny herintaona. Nambaran’ny filoha Amerikanina […]
Sri-lankais saika hiondrana : Vato sarobidy tratra tanaty fitombenany
Sahy maty! Voasambotra teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny teratany srilankey nikasa hihazo ny Nosy Maorisy. Nahatrarana vato sarobidy maro tao an-kibony. Natsofoka tany amin’ny lava-pitombenany. Voasambotry ny polisy misahana ny fanaraha-maso ny sisin-tany sy ny fivezivezen’ny mpandeha mivoaka sy miditra (PAF Ivato) eny amin’ny seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena Ivato, ny talata 13 […]