Songadina

Sosialim-bahoaka : vontoatin’ny fihaonan’ny filoha Rajoelina sy ny Banky iraisam-pirenena

Mitsidika eto amintsika ny filoha lefitry ny Banky Iraisam-pirenena ho an’ny faritra Afrika Atsinanana sy Atsimo, Victoria Kwakwa. Noraisin’ny filoha Rajoelina Andry teny Iavoloha ny tenany sy ireo delegasiona niaraka taminy. Nanaovana jery todika ireo seha-piaraha-miasa eo amin’ny Banky Iraisam-pirenena sy Madagasikara. An­isan’izany foto-drafitrasa toy ny lalana, ny fanabeazana, ny […]

Sakaiza manody: nangalarin’izy roa lahy ny voamason’ny namany

Mirongatra izaitsizy ny tsy fandriampahalemana ao Toliara II. Omaly, lehilahy iray no lasibatry ny asan-jiolahy. Lasan’ireo olon-dratsy ny voamasony roa tao amin’ny fokontany Behorinkazo, kaominina Antogo Vaovao, distrikan’i Morombe. Ni­araka ta­min’ireo namany roa lahy na­monjy tsena teny amin’ny manodidina ity lehilahy 27 taona ity. Nony namonjy fo­diana niampita lakana ireto […]

Tsy nanao CJSOI : olan’ny Ministera sy ny Prezidansa

Sambany tao anatin’ny andiany 12 nifanesy no tsy mandray anjara amin’ny CJSOI i Madagasikara. Voalaza fa nampikatso ny dia: ny olana noho ny fifandroritana andraikitra teo amin’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny Fiadidiana ny Repoblika. Sady nalahelo, tsy nahitam-peo, menatra ny ankamaroan’ny mpitia fanatanjahantena, omaly. Tsy nisy nanampo fa tsy misy […]

Filoha Rajoelina Andry : “Aoka tsy hokorontanin’ny sasany ny saintsika…”

Nomarihiny ny asabotsy teo ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny asa fanamboarana ny lalambe migodana “Autoroute” hampitohy an’ An­tananarivo sy Toamasina. Nanomboka izany tao Am­bolo, Talata Volonondry ny filoha Rajoelina Andry. Nambarany fa manatanteraka ny asa isika izao ary miasa haingana. Mamaly ny ambaran’ny sasany fa tsy ho vita io… […]