Zava-doza ny nanjo azy mianakavy kely ! sady kilan’ny afo, tsy mba afaka nanavotra aina ilay ankizivavavy vao folo taona, izay sembana no hotohoton’ny afo ny fananana rehetra. Nitrangana haintrano mahatsiravina namoizana ain’olona tao amin’ny fokontany Antsiranampasika Toamasina parisela 14/11 «Carreau» faharoa, ny asabotsy tamin’ny 12 ora sy 30 mn […]
Songadina
Nandoro kodiarana ny mponin’Itaosy sy Ampefiloha
Efa ho lava, naneho ny hatezerany teny an-dalambe ny mponina tetsy Ampefiloha sy Itaosy, omaly hariva. Leo ny fahatapahan-jiro matetika, nanakan-dalana mihitsy izy ireo. Tsy nionana tamin’ny fanakanan-dalana fa nandrehitra kodiarana teny amin’ny arabe izy ireo. Nataon’izy ireo hanairana ny fitondram-panjakana ity fihetsika ity. Ho an’ny tetsy Itaosy, tsy afa-nandeha […]
Jery taratra…
Lalàna… ifampitokisana Miverina amin’ny laonina ny karaman’ireo mpirakidraharaha fitsarana miisa 56 amin’izao volana desambra izao. Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana fa tsy misy karama, rehefa tsy misy asa. Niteraka resabe ny fanoharana ny mpirakidraharaha ho toy ny mpiasa an-trano amin’izany. Misy ny fanangonan-tsonian’ny depiote amin’ny tsy fenekena izany, fa samy mpiasam-bahoaka […]
Migadra ny mpanao sonia: tsy ampy solika, mihamafy ny delestazy
Taorian’ny fampidirana am-ponja ireo tale tao amin’ny Jirama, tsy misy intsony ny mpanao sonia. Mihitsoka ny taratasim-bola tokony hakana solika. Vokany, mihamahery vaika ny delestazy. Sempotra tanteraka! Vao mainka tena mahery vaika ny faharetan’ny fahatapahan’ny herinaratra na delestazy, indrindra nanomboka ny alakamisy 1 desambra teo. Tsy adiny roa araka izay […]
Andriantsitohaina Naina: “Tranga politika ny fifofoana ny aiko”
Nanazava ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina, omaly. Niresaka mahakasika ny fifofoana ny ainy koa izy. Anisan’ny vaovao mahaliana ny mponin’Antananarivo ny tohin’ny fifofoana ny ain’ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina. Nitondrany valin-teny tamin’ny mpanao gazety rahateo izany, nandritra ny fandaharana manokana notontosainy niaraka tamin’ny haino aman-jery […]