Trano miisa 12 indray kilan’ny afo tao Bemiditra, fokontany Ambalakazaha Avaratra, kaominina sy distrikan’i Manakara, afakomaly. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary, fipoahanana herinaratra tao amina tokantrano iray nihidy no niantombohan’ny afo. Voalaza fa lasa nanao fety tany an-toeran-kafa ny tompon-trano sy ny fianakaviany, kanjo hotohoton’ny afo tanteraka ny trano. Vokany, […]
Songadina
Ady tanimbary: notifirin’ny vinanto lahy ny rafozany
Tifitra vary raraka, fira famaky izany no nanjo ireto lahy antitra mirahalahy ny faran’ny herinandro lasa teo. Notafihan’ny vinantony izy ireo, noho ny disadisa momba ny tanimbary. Zava-doza no niseho tao Bevaho fokontany Ivolo, kaominina ambanivohitra Kotipa, distrikan’ Ivohibe, ny zoma teo. Niafara tamin’ny vono olona ny disadisam-pianakaviana tamina resaka […]
Jery taratra…: Aleo hazava… hilaminana
Nanambara ny eo anivon’ny Ceni fa eo anelanelan’ny 19 novambra sy ny 19 desambra no hanatanterahana ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Araka ny lalàmpanorenana, iray volana mialoha ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny filohan’ny Repoblika, izay raha farafahelany ary roa volana mialoha raha farahaingany, raha tapitra amin’ny 19 janoary 2024 izay fe-potoam-piasana izay. […]
Raharaha Anja : mitohy ny fanadihadiana, efa mihasalama ny reniny
Taorin’ny hatairana saika niteraka rarin-tsaina ho an’ilay renin’ny tovovavy kely niasa ka namoy ny ainy teto an-dRenivohitra ny 02 janoary teo. Efa mihatsara ny fahasalaman’ io ramatoa io amin’izao fotoana. Sahirana ara-pivelomana, nalefan’ny reniny avy any Miarinarivo hiasa tamin’ny olona teto Antananarivo io tovovavy 15 taona, atao hoe Anja io. […]
Toamasina : lehilahy valo matin’ny tsy fahampian-tsakafo sy alikaola
Mirongatra izaitsizy ny fahafatesana an-dalambe tao anatin’ny roa herinandro tao Toamasina. Namoy ny ainy noho ny tsy fahampian’ny sakafo sy ny fisotroana alikaola diso tafahoatra avokoa ireo olona ireo. Tao anatin’ny tapa-bolana, izany hoe, nanomboka ny 22 desambra hatramin’ny 5 janoary teo, olona valo namoy ny ainy ka hita faty […]




