Songadina

Fetin’ny faran’ny taona : Efatra no maty, 251 nozaham-pahasalamana tao amin’ny hopitaly CHU JRA

Nahatratra 251 ireo olona nozaham-pahasalamana teo anivon’ny hopitaly CHU JRA nandritra ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao 2025 lasa teo. Efatra tamin’ireo maty teo anivon’ny hopitaly raha toa ka telo ireo maty avy any ivelany. 229 teo anivon’ny sampana vonjy aina ary 22 teo anivon’ny sampana famelomana aina. Raha […]

Faran’ny taona sy taom-baovao: Fotoana namangiana ray aman-dreny sy niarahan’ny mpianakavy nifety

Zava-dehibe ho an’ ny ankamaroan’ny Malagasy ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao. Fo­toana nanomezana sehatra nahafahan’ny mpianakavy niara-nifety sy namangiana ireo ray aman-dreny mbola velona ihany koa io fotoana io. Miezaka mankalaza ny fetin’ny faran’ny taona sy taom-baovao miaraka tamin’ny fiankaviany ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy. Nampifaly ny […]

Faran’ny taona : Nihena ny olona mamonjy ny trano fanaovan-danonana

Manan-danja amin’ny maro ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao. Anisan’ny mahasarika ny ankamaroan’ny Malagasy ny miara-mifety amin’ny fianakaviana sy miala kely amin’ny mahazatra. Mbola vitsy ny olona tonga nanjifa ny tapakila ho an’ny eny anivon’ny trano fanaovana lanonana tamin’ny fotoana nanaovana fanadihadiana. Fotoana iarahan’ny mpianakavy miara-mifety ny […]

Fiakaran’ny tohitry ny mikraoba amin’ny fanafody : Nahafaty olona 5 400 eto Madagasikara noho ny fanaovana dokotera tena

Miakatra ny tahan’ny tohitry ny mikraoba amin’ny fanafody eto Madagasikara. Samy misedra olana momba izany avokoa ny an­kamaroan’ny sehatra rehetra, indrindra ny lafiny ara-pitsaboana. Antony tena mampirongatra azy io ny fanaovan’ny olona dokotera tena. Nanavotra ain’olona aman-tapitrisany ny antibiotika satria nampihena be ny fiantraikan’ny aretina eo amin’ ny olombelona sy […]

Fitaterana : Tafakatra 245 ny fiara miala an’Antananarivo mihazo ny faritra

Fotoana mahabetsaka mpandeha avy eto an-dReni­vohitra mankany amin’ny faritra ma­ne­rana ny Nosy ny vaninandro fety toy izao. Betsaka mpa­n­deha indrindra amin’izany ny any amin’ny faritr’i Be­tsiboka sy i Boeny. Nahitana fiakarany ny tahan’ny olona miala ny Renivohitra mihazo ny faritra hafa manerana ny Nosy, tamin’ny fetin’ny Noely lasa teo, raha […]