Songadina

Asa fivarotana eny Analakely : « Tsy misy fitadiavam-bola mora fa atao am-pitiavana aloha ny asa », hoy i Mamy

Maro dia maro tokoa ireo mpivarotra lam­ba sy kiraro ary bakiraro sy silipo eny Analakely, amin’izao fotoana izao. Anisan’ireo nanaovana fanadihadiana tamin’izany Rakotobehe­ri­ni­rina Mamy, mpivarotra silipon-dehilahy sy bakiraro eny an-toerana. Ny resaka tsena no mibahana ao an-tsaina raha vao miresaka ny eny Analakely. Nilaza Rakoto­beherinirina Mamy, mpivarotra silipon-dehilahy sy bakiraro […]

Tsingerin-taonan’ny AJT: Nosokafana tamin’ny alalan’ny fambolen-kazo

Feno 17 taona ankehitriny ny nijoroan’ny fikambanan’ny mpanao gazety any Toa­masina (AJT). Notan­terahina tany an-toerana ny hetsika fankalazana, ny sabotsy 26 avrily lasa teo. Nanamarihana izany ny fambolen-kazo ary ny fizarana tolotra ho an’ny mpanao gazety sy ho an’ny tokan­trano marefo. Heni-kaja sy voninahitra ny hetsiky ny mpanao gazety ao […]

Task force: Mampanahy ny fiakaran’ny tahan’ireo olona mitondra VIH/Sida

Mampanahy fatratra ireo Task Force ny hoavin’ny tanora amin’izao fotoana izao noho ny fiakaran’ny tahan’ny olona mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida. Nifam­pi­zara ny vokatra azony nandritra ny fanadihadiana na­taony ireo mpisehatra amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ ny tsimokaretina VIH/Sida. Nanantanteraka atrikasa tetsy amin’ny efitrano fivoriana Streamliner Tanamakoa ny fiandohan’ny volana avrily teo […]

Toamasina: Fianakaviana maro mivelona amin’ny fakana sary sy hosodoko

Asa mahavelona fianakaviana maro ao Toamasina ny asa fakana sary sy fanaovana sary hosodoko. Efa ma­nomboka mivelatra amin’ny karazana fihariana hafa iha­ny koa izy ireo, an­kehitriny. Arakara­ka ny fiakarana na fivoaran’ny teknolojia ny antony ma­hatonga azy ireo manao izany, raha ny fanadihadiana natao. Anisan’ny mpisehatra amin’ny asa fakana sary sy […]