Songadina

Fiadiadiana ny Repoblika sy ny fikambanana Dawoodi Bohra : Nanolotra fanampiana ho an’ireo voafonja

Nanolotra fanampiana ara-tsakafo ho an’ireo voafonja etsy Antanimora, ny sabo­tsy 05 avrily 2025 teo, ny sampandraharaha misahana ny sosialy eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Ni­tarika ny hetsika, teny an-toerana, ny tale Amidjee Raha­rinoro Roumana, sy ireo mpiara-miombon’antoka, mpikambana eo anivon’ ny Communauté Borha eto Mada­gasikara Tafiditra ao anatin’ny famaranana ny […]

Aorian’ny fahavitan’ny fianarana : Vitsy ny tanora sahy manangana ny orinasany manokana

Olana ho an’ny ta­nora mahavita fianarana ny fananganana orinasa ma­nokana. Mbola vi­tsy izany raha ho an’ny eto amin’ny firenena. Antony mahatonga izany ny tsy fananana tetibola entina ma­nangana. Ampirisihina sy entanina hatrany ny mpianatra mba hanangana ny orinasany manokana aorian’ny fahavitana fianarana. Tsapa sy hita fa vitsy ireo ankizy sy […]

Ho fiarovana ny tontolo iainana : Tsara ny mampiasa lafaoro mandeha amin’ny herin’ny masoandro

Ao anatin’ny va­nim-potoana fiarovana ny tontolo iainana tanteraka ny Malagasy, amin’izao fotoana izao. Mba hitsinjovana ny tanora, nanapa-kevitra Andrian­draina Jean Pierrot sy ireo namany, hamorona lafaoro mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Anisan’ireo fitaovana miavaka kely, nandritra ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenen’ny tany miteny frantsay, « Franko­fonia », izay natao teny Anko­rondrano, ny volana […]

Fitandroana ny afo tsy maty : Endriky ny fahavelomana, hazavana ary hasambarana ho an’ny mpianakavy

Zava-dehibe sy manana ny hasiny manokana ho an’ny vahoaka malagasy ny fitahirizana ny afo tsy maty. Nozaraina tamin’ny vahoaka izy io ny harivan’ny sabotsy faran’ny taona lasa teo. Notehirizina am-pitandremana mba tsy ho faty eny anivon’ny tokantrano tsirairay avy izy io nandritra ny alina tontolo, mandra-piposahan’ny masoandro, ny ma­rain’ny taombaovao, […]

Ligin’Analamanga, taranja basikety : Mifototra amin’ny fikarakarana ny eny ifotony

Nanomboka ny sabotsy sy alahady lasa teo ny fifaninanana rezionaly eo anivon’ny ligin’Analamanga, taranja basikety, ho an’ny taom-pilalaovana 2025. Nisy ihany koa talohan’izay ny fivoriambe notanterahina ny zoma 21 marsa lasa teo nahafahana namaritra ny fandaharam-potoana sy ny tetiandro ho an’ity taona ity. Araka ny efa tanjona napetraky ny ligin­Ana­lamanga […]