Efa miha liana amin’ny fanjifana sokola ny Malagasy, raha ny zavatra hita sy tsikaritra nandritra ny Foaran’ny sokola tetsy amin’ny Carlton Anosy, ny sabotsy teo. Anisan’ny sakafo ankafizin’ny besinimaro ny sokola noho ny hamaroan’ny tombontsoa entiny amin’ny vatana sy ny fahasalamana. Sakafo mitahiry singa maro ilain’ny vatana ny sokola. Sakafo […]
Songadina
Kiraro sy tenisy lamaody: Ny vehivavy no tena mpanjifa
Singa iray ao anatin’ ny lamaody ny resaka kiraro, ny tenisy, amin’izao fotoana izao. Matetika betsaka izy ireny eny rehetra eny. Nisy ny fana-dihadiana natao tamin’ny mpivarotra kiraro iray eny Analakely, izay nisafidy ny tsy ho alaina sary. Nilaza i Nary, mpivarotra kiraro lamaody iray eny Analakely, fa ny vehivavy […]
Vary lasa fitaovana politika : Aiza ho aiza ny voka-bary eto amin’ny Nosy amin’izao fotoana?
Tombantombana no betsaka raha ny tarehimarika no lazaina. Samy manana ny filazany, tombanana any amin’ny 1 600 000 ha ny tanimbary rehetra eto Madagasikara, mety hanome vary akotry 5 880 tapitrisa t, ny taona 2025. Singa iray lehibe eo amin’ny raharaha politika koa ny vary ka azo hiadiana ny tarehimarika. Nampidirina […]
Fanatsarana tontolo iainana : Ahazoana tombontsoa maro ny fambolen-kazo an-tanàn-dehibe
Mahasarika ny olona ny mamboly hazo, indrindra rehefa vanim-potoana fanatanterahana izany tahaka izao. Mahalana ny fambolen-kazo an-tanàn-dehibe fa ny mamboly izany any ambanivohitra sy miala ny renivohitra no mahaliana ny maro. Mbola tsy mifarana ny fotoana fambolen-kazo eto Madagasikara na dia efa nanomboka tamin’ny volana desambra, taona 2024, aza izany […]
Randrianarivelo Hery Mamy Holin : Nataony ho fitadiavam-bola ny talentany
Asa iray hita eto Madagasikara sady betsaka mpanao ny fanetezam-bolo. Misy ireo nianatra izany fa eo koa ireo efa nahafehy izany tsy nisy fiofanana natao, anisan’izany Randrianarivelo Hery Mamy Holin, mpanety iray etsy Ambohijatovo. Anisan’ireo mpanety volo etsy Ambohijatovo, manana ny traikefany, Randrianarivelo Hery Mamy Holin, lehilahy iray 55 taona. […]




