Songadina

Halatra 10 tapitrisa Ar : roa lahy mpirafy no namono an-dramatoa

Anjeva Gara! Nalefa eny Tsiafahy ny vadin’ilay ramatoa novonoina. Migadra miaraka aminy ny lehilahy iray voalaza fa sakaizan’ny maty. Mifampiampanga izy roa lahy mpirafy. Mifamahofaho ny ra­haraha! Miandry ny datim-pitsarana ny olona voarohirohy mivantana na ahiana ho tafiditra tamin’ny famonoana ilay vehivavy, mpamongady legioma teny Anjeva Gara, ny talata 18 […]

Antananarivo Renivohitra : maro ny lalana ho tapaka manomboka rahampitso

Ho tapaka manomboka rahampitso ny ampahan-dalana maro eto amin’ny kaominina Antanananarivo Renivohitra. Fiatombohany, tokanana rahampitso ny Foundation H etsy Ambatomena. Ho tapaka, noho izany, ny lalana Refo­tana, miainga eo amin’ny Ur­bania hatreo amin’ny Phara­macia Analakely, rahampitso manomboka amin’ny 1 ora tolakandro. Tsy azo aleha intsony koa ny lalana eo amin’ny […]

Vono olona sy halatra 10 tapitrisa Ar : anisan’ireo nohenoin’ny fitsarana ny vadin’ilay ramatoa

Mbola mitana ny sain’ny maro ilay raharaha vonoan’olona feno habibiana teny Amboalefoka, fokontany Anjeva Gara, ny herinandro teo. Anisan’ireo niakatra fampanoavana, omaly, ny vadiny niaraka tamin’ireo lehilahy fito hafa sy vehivavy iray… Natolotra ny fampanoavana, omaly, ireo olona voarohirohy tamin’ ilay raharaha vonoan’olona feno habibiana nitranga teny Amboalefoka, fokontany An­jeva […]

Sarinady Ivondro: miaramila 1 000 hanamafy ny fahaiza-manaony

Manodidina ny 1 000 ireo miaramila mandray anjara anatin’ny sarinady Ivondro 2023, izay hatao ao amin’ny faritra Atsinanana, manom­boka ny 28 avrily izao. Hi­santatra ity sarinady ity ny filatsahana an’elonaina ha­taon’ny Tafika avy anaty fiaramanidina ao Toamasina Renivohitra. “Tsy manakana ny besinimaro tsy hijery ny sarinady izany saingy iangaviana tsy […]

67 ha Atsimo: nirefotra ny basy, jiolahy iray maty voatifitra

Teo am-pikasana hanao fanafihana mitam-piadiana, lavon’ny polisy ny jiolahy iray tetsy 67 ha Atsimo, omaly atoandro. Tafaporitsaka ny namany iray hafa. Nirefodrefotra ny basy tetsy 67 ha Atsimo akaikin’ny parking, omaly atoandro. Jiolahy roa nitondra basy no nifanenje­han’ny mpitandro filaminana. Araka ny nambaran’ny nanatri-maso, nitondra moto fotsy ireto olon-dratsy ireto. […]