« Maty ny vadiko, voatifitry ny dahalo aho… hanao ahoana ny hoavin-janako », hoy ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria Manja, nitantara ny zava-nanjo azy, nandritra ny fifandonana tamin’ny dahalo. Tena misy ny asan-dahalo fa tsy araka ny fieritreretan’ny olona azy… Iray amin’ireo distrika dimy mandrafitra ny faritra Menabe ny distrikan’i Manja, faritan’i […]
Songadina
Groupement des forces spécialES d’intervention (GFSI) : Sivana manokana ny handraisana ireo miaramila
Manana ny hery vonjitaitra manokana ho azy ny Tafika Malagasy na ny Groupement des forces spéciales d’intervention (GFSI). Miasa mangina saingy efa nahavita iraka maro. Miasa mangina hatrany ny hery vonjitaitra fiandry eo anivon’ny Tafika Malagasy, izay manana ny toby famaharany eny Ivato. Mifanome tanana amin’ireo antokon-tafika telo (an-tanety, an-dranomasina […]
« Lalaon’ny Frankôfônia » tany Kinshasa : nahatontosa ny fanambiny ireo mpanakanto
Medaly volamena iray, medaly volafotsy iray. Azo lazaina fa vokatra tsara izany, ho an’ny sokajy zavakanto tamin’ny « lalaon’ny Frankôfônia ». Na ireo tsy nitondra medaly nody aza, afaka nirehareha ihany koa… «Hanome izay kanto indrindra avy aty aminay izahay, ho reharehan’i Madagasikara ». Fanamby sy fampanantenana nataon’ireo mpanakanto miisa 20 mahery, nialohan’ny […]
Asief 2023 – Toamasina : « Tsy nanara-penitra ny fandraisana ireo atleta », hoy ny mpandray anjara
Raisina eny anivon’ny sekoly ireo atleta sy mpandray anjara mandritra ny lalao ara-panatanjahantena iraisan’ny minisitera « Asief 2023 » any Toamasina, ankehitriny. Tsy mendrika izany fa tokony ho raisina any amin’ny trano fandraisam-bahiny izy ireny, raha ny fanazavana. Anisan’ny mpilalao sy mpandray anjara mitondra fanamarihana amin’ny fizotry ny Asief 2023 any Toamasina ny avy amin’ny taranja “Law tennis”. Nokianin’izy ireo […]
Fahasalamana: 15 000 ireo olona voan’ny katarakta eto Madagasikara
Maro ireo tonga nizaha sy nitily ny masony teny anivon’ny hopitaly HJRA Ampefiloha, omaly. Manjavona avokoa ny ankamaroan’ny mason’ izy ireo ka antony nandrisika azy ireo hanatona hizaha. Mba hisorohana ny hisian’ny katarakta eo amin’ ny olona iray. Hanomboka ny 16 hatramin’ny 23 Septambra ho avy izao ny hetsika fandidiana […]




