Songadina

Taksiborosy nivadika : olona 10 maty, mpandeha 42 hafa naratra

Fiarabe mpitatitra olona avy ao Fianarantsoa no tra-doza, afakomaly. 10 namoy ny ainy, 42 naratra. Antony: voalaza fa tapaka rotule ny fiara, nitelefaonina ny mpamily, nanao taingim-be. Nivadika ny fiarabe taksiborosy mampitohy an’i Fianarantsoa sy ny kaominina Ambanivohitra So­a­tanana, distrikan’Isandra, afa­komaly atoandro. Olona folo no namoy ny ainy: dimy maty […]

Harem-pirenena : mihena ny isan’ny omby eto Madagasikara

Omby, harem-pirenena anisan’ny mampiavaka an’i Madagasikara hatramin’ny taonjato maro. Nalaza ny hoe maro anisa ny omby no ho ny olombelona. Tantara sisa izany amin’izao fotoana. Mbola mipetraka ireo tsenan’omby goavana eto an-tanindrazana. Misy ny tsenan’omby le­hibe indrindra eto Ma­dagasikara ny any Atsi­mo, lalam-pirenena faha-7, ao Ambalavao. 56 km avy eo […]

Profesora François-Lévy Dawidson : “Mampandroso firenena ny mandranto fianarana any ivelany”.

Nisy ny atrikasa ho an’ny tanora malagasy tetsy amin’ny minisi­teran’ny Rahara­ham-bahiny Am­pefiloha, ny faran’ ny herinandro lasa teo. Nam­pa­ha­fantarana sy nanoroana azy ireo ny tokony hatao raha te hianatra any ivelany. Teo anelanelan’ny 1880 -1970, nifindra monina voalohany tany Frantsa ny ankamaroan’ireo miaramilan’ny mpanjanaka tao amin’ ny Tafika frantsay, izay […]

Fanatanjahantena : taranja manaitra ny hafanam-pon’ ny tanora ny basikety

Niditra sy nisy te­to Madaga­si­ka­ra ny taranja basikety tamin’ny ta­o­na 1960. Nam­pi­dirin’ireo mpilalao amerikana sy frantsay, raha ara-tantara. Nivoatra tsikelikely ary nihamafy sy nankafizin’ ny tanora teto Ma­dagasikara izany. Niorina tamin’ny taona 1963 ny ekipam-pirenena, mpilalao basikety teto Madagasikara. Nandray anjara tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena maro nandritra ny taona nifandimby izy […]

Antenimieran’ny varotra sy ny asa tanana ao Toamasina : “Haverina ny fahatokisan’ny mpandraharaha” hoy ny filoha vaovao, Kotonirina Robert

Tontosa ny talata lasa teo ny famindram-pitantanana teo amin’ny filoha teo aloha sy ny filoha vaovao mi­tanta­na ny sampandraharahan’ny Anteni­mieran’ny varotra sy ny in­dostria ary ny asa tanana, any amin’ny faritra Atsi­nanana. Natao teny anivon’ny efitrano malalaky ny « Chamb­re de commerce et de l’industrie » Toamasina (CCIT) ny lanonana. «Eo anivon’ny minisitera […]