Songadina

Hamafisina ny fiarovana ny zaza malagasy : voarara tsy mahazo miditra eto i Dylan Thiry

Hohamafisina ny fiarovana ny zaza malagasy ka handray fepetra ny governemanta amin’ny tsy fahafahan’i Dy­lan Thiry miditra eto Madaga­sikara intsony. Nanao fanadihadiana avy hatrany ny polisy momba ny fivoahan’ilay hafatra niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera “facebook” mahakasika fanondranana zazakely ataona teratany vahiny iray antsoina hoe Dylan Thiry. Nanazava ny polisy fa raha ny lalàna […]

Hala-jaza : saika hamidy 2 800 000 Ar ny ankizy iray

Fahasahiana tsotr’izao! Nidoboka am-ponja eny Antanimora ireo mpivady sy ny rafozam-baviny niaraka tamin’ny dokotera voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fikasana hivarotra an-tsokosoko zazamenavava tamin’ny vazaha. Nokasaina hamidy 2 800 000 Ar ny iray amin’ireo zaza… Nidoboka am-ponja vonjimaika, eny Antani­mora, ireo olona efatra (mpivady, rafozam-bavy ary dokotera) voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ilay raharaha fikasana […]

“Raharaha Razaivola Raïssa” : mila porofo ny fisiana kolikoly

“Tena mamoafady ny kolikoly, ka tokony ho voaporofo mazava hoe: nisy tokoa ve izany? Raha misy tokoa izany, tsy tokony ho azo leferina. Tsy amin’ny “Raharaha Razai­vola Raïssa” ihany, fa amin’ny raharaham-pitsarana re­he­tra”. Io ny fanazavan’ny minisitry ny Fitsarana, Ran­dria­manantenasoa Landy Mbo­latiana, tany Fianaran­tsoa, ny herinandro teo. Marina fa nilaza […]

Avy nandona taxi… : Iray maty, fito naratra nofaohin’ny fiara 4×4

Olona iray no fantatra fa maty tsy tra-drano raha fito hafa kosa naratra mafy tamin’ilay lozam-pifamoivoizana nahatsiravina teny amin’ny lalam-baovao Andramiarana, kaominina Ambohibao Antehiroka, omaly tolakandro… Maty tsy tra-drano ny skoto iray nandeha an-tongotra, nofaohin’ny fiara 4×4 iray teny La Réunion kely, lalam-baovao Andramiarana ,fokontany Mo­rondava, kaominina Am­bohibao Antehiroka, omaly […]

Raharaha Raissa : manaratsy endrika ny tontolon’ny fitsarana malagasy

Anisan’ny raharaham-pitsarana mahoraka amin’izao fotoana izao ny « raharaha Raissa ». Nomelohin’ny fitsarana 7 taona an-tranomaizina, manao asa an-terivozona ity renim-pianakaviana ity, rehefa voampanga ho nikasa ha­mono olona. Etsy ankilan’izay, miampanga ny tomponandraikitra ambony ao amin’ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny mpitsara ambony ho mpanao kolikoly, naka ny volabeny izy. Mifamotika eo ny […]