Songadina

Fikarakarana volo : mandany hatramin’ny 100 000 Ariary

Manodidina ny 4 hatramin’ny 10 isan’andro ireo olona tonga mi­karakara volo eny anivon’ny botika sy trano fanaovam-bolo eto an-dRenivo­hitra. Miakatra na mihena io isa io miankina amin’ ny vanim-potoana. Manodidina ny 25 000 hatramin’ny 100 000 Ariary ny saran’ny fi­karakarana volo eny anivon’ny botika matihanina arakaraka ny volon’olona. “Eo anela­nelan’ny […]

Toamasina : jiolahy 157 voatifitry ny polisy

Maro ny tarata­sin’ady miakatra ao amin’ny fitsarana Toamasina. Misy anefa ireo tena mitana ny sain’ny mpanara-baovao ny manaraka azy. Ny 18 avrily teo, nivoaka ny ordonnance laharana faha-047-CC/CA/ TOA/23, avy amin’ny filohan’ny fitsarana voalohany eo anivon’ny fitsarana ambony Toamasina, Razafiarison Hery Harizandry, izay misahana ny ady heloka bevava sy ny […]

Fambolena holatra any an-trano: manome lanja ny fanajana ny tontolo iainana

Maniry any anaty ala ny holatra amin’ny ankapobeny. Manom­bo­ka mahazo vahana, ankehitriny, ny fambolena azy ireny any an-tra­no sy anaty toerana mihiboka. Mba hialana amin’ ireo karazana ho­latra tsy azo ha­nina sy mahafaty. Vanim-potoana hitsirian’ ny holatra (champignon) any anaty ala ny mangatsiaka sy misy erika, anisan’ izany eto Madagasikara. […]

Ara-tantara : nidika ho sikidy sy haingo teo amin’ny Malagasy ny tombokavatsa

Manana ny fototra mampiavaka azy ny fanaovana tombokavatsa manoloana ny tantaran’i Madagasikara. Misy dikany ny endriny, arakaraky ny faritra sy ny foko tsirairay avy. Zava-dehibe teo amin’ny Malagasy ny fanaovana izany. Anisan’ireo riba sy kolontsaina malagasy ary nanana ny naha izy azy teo amin’ny fiainan’izy ireo ny tombokavatsa, araka ny […]