Nanomboka omaly ny fampisakafoana ireo mpiadina manala fanadinana BEPC, eny amin’ny kaominina ambanivohitra Soavina. Hetsika nokarakarain’ny ben’ny Tanàna sy ny mpiara-miasa aminy, natao teo an-tokontany malalaky ny Ceg Soavina. Nisitraka izany ireo mpiadina 324 avy amin’ny sekoly 13 miankina sy tsy miankina ao anatin’ny kaominina. “Tsapa ny tsy fitovian’ny sakafo […]
Songadina
Tetikasa PIAA2: hosorohina ny tondra-drano
Tontosa, omaly, tetsy amin’ny biraon’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola Antaninarenina, ny fanaovan-tsonia fifanarahana ara-bola, mitentina 8 tapitrisa Euros avy any amin’ny Vondrona eoropeanina. Hanatanterahana ny tetikasa « Programme d’Intégré d’Assainissement d’Antananarivo » (PIAA 2). Nanao sonia izany, ny minisitry ny Toekarena sy ny tetibola sy ny Ambasadaoron’i Frantsa miasa eto Madagasikara […]
Banky iraisam-pirenena: mila jerena ny fampiasana ny angovo azo havaozina
Mamarana ny fotoam-piasany eto Madagasikara i Marie Chantal Uwanyiligira, solontena maharitry ny Banky iraisam-pirenena. Nisy, araka izany, ny fihaonana sy lanonana fanaovam-beloma ireo mpiara-miasa aminy teny amin’ny biraon’ny Banky iraisam-pirenena, eny Anosy, omaly. Fotoana izay nanaovany tombana ny asa vitany nandritra ny efa-taona niasany teto Madagasikara. Lohahevitra maro no noresahiny […]
Fanahiana kolikoly: naiditra am-ponja ny tale jeneraly vonjimaika, Cnaps
Naiditra am-ponja omaly, ny tale jeneraly vonjimaika mitantana ny Canps, i Tsaboto Joslina. Anisan’ny voalaza ho anton’izany ny kolikoly nataony amin’ny fampidirana mpiasa “Recrutement“. Niakatra tetsy amin’ny fampanoavana, eo anivon’ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac), 67 ha ny alakamisy teo ny tenany. Efa ny zoma tamin’ny 2 ora […]
Fivoriambe ho an’ny famatsiam-bola any Paris: nitanisa ny ezaka vita ny filoha Rajoelina Andry
Nanomboka omaly, any Paris, ny fihaonana an-tampony momba ny Fifanarahana ho an’ny famatsiam-bola vaovao “Sommet pour un nouveau pacte fiancier mondial”. Anisan’ny mikarakara izany ny eo anivon’ny Fida. Mitarika ny delegasiona any an-toerana ny filoha Rajoelina Andry ka nambarany tamin’ny lahateniny fa mitana andraikitra lehibe amin’ny vahaolana maharitra hiatrehana ny […]




