Misokatra ankehitriny ny fanafarana vary avy any Inde. Ho tonga eto Madagasikara afaka iray volana ny vary nafarana. Efa tonga any Toamasina sy Toliara kosa ny vary avy any Pakistan. Ity farany izay efa mitobaka eny an-tsena amin’izao fotoana. Vidiana 145 000Ar ny iray gony ary 2 900Ar ny iray kilao miala […]
Toe-karena
Teknika Papriz: mampiroborobo ny voka-bary
Nitondra fiovana lehibe eo amin’ny mpamboly vary ao Manandona, distrikan’Antsirabe II, ny fampiharana ny teknikam-pambolem-bary mahavokatra, tohanan’ny tetikasa Fanohanana ny fampandrosoana sy ny indostria eo amin’ny sehatry ny vary (Papriz). Mampitombo ny vokatra sy mampiroborobo ny toekaren’ny tantsaha ny fandaharanasa. « Nitombo avo roa heny ary tafakatra avo telo heny ny […]
Ordre des architectes (OAM): Tsy manana fahazoan-dalana ny 80% ny fanorenana trano
Mikorontana ny ankabeazan’ny fanorenana trano eto Madagasikara noho ny tsy fanatonana ireo matihanina amin’ny maritrano. Miantoka ny kalitaon’ ny fananganana trano izy ireny sy mampanara-penitra ny fotodrafitrasa miorina. «Tsy manara-penitra ny ankabeazan’ny fanorenana trano eto amintsika. Tsy manana fahazoan-dalana koa ny 80% amin’izany », hoy ny filohan’ny Holafitry ny matihanina amin’ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Mirefy 5 ha ny velaran-tany natokana ho an’ny minisiteran’ny Angovo, eny amin’ny tanàna vaovao haorina, Fieferamanga. Hananganana tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny masoandro io toerana io. Hanampy ny herinaratra mahery vaika, manana tanjaka 35 KV ihany koa eny an-toerana. Miisa roa ny orinasa sinoa manarina ny lalana RN2. Manamboatra ny ampahany […]
Manjakandriana: mpanamboatra saribao 86 nomena fiofanana
Faritra anisan’ny tena ahitana ala kininina ny distrika Manjakandriana. Toerana mpamokatra saribao, mamatsy ny aty an-dRenivohitra. Nahazo fiofanana ny mpamokatra, ka nomena mari-piofanana, ny volana septambra teo. Miisa 86 izy ireo, avy any amin’ny kaominina miisa 11, nomena fiofanana ara-teknika nohatsaraina amin’ny fomba fanamboarana saribao (Tac). Tanjona ny hitandroana ny […]