Toe-karena

Fahaleovantena niomerika : Fanamby hampivoarana an’i Afrika

Zava-dehibe ny fananana fotodrafitrasa niomerika afrikanina mba hiarovana ny angon-drakitra. Hampidirana ny teny sy ny kolontsaina afrikanina ao anatin’ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA) sy hampiroboroboana ny talenta sy ny fiaraha-miasa eto Afrika. Nivoitra izany nandritra ny hetsika “Africa Forward Summit”, natao tany Nairobi. « Africa must move from digital dependence to digital […]

Rano : 144 000 m³ isan’andro ny banga amin’ny famokarana

Tsy ampy ny rano. Mahatratra 144 000 m³ isan’andro ny banga eo amin’ny famokarana rano eto Antananarivo. Antitra avokoa ny ankamaroan’ireo tambajotra mpitsinjara izany ka mahatonga fahaverezan-drano betsaka eto amintsika. Mbola sedra lehibe ho an’i Madagasikara ny tsy fahampian-drano, indrindra eto Antananarivo. Nambaran’ny minisitry ny Rano, fanadiovana sy fidiovana, Dr […]

VAOVAO TAMBATRA

Hanokana 23 miliara euros ho an’i Afrika i Frantsa. Hifantoka kokoa amin’ny fampiasam-bola io sorabola io, izay nampitomboina, fa ahena kosa ny fanampiana ara-bola. Midika izany fa ny fiaraha-miombon’antoka na fampiasam-bolan’ny orinasa frantsay no hitombo, manoloana ny fifaninanana ataon’ny firenen-kafa, toa an’i Sina, ny arabo, izay hita miroborobo sy miha […]

Madagascar Airlines : Nanazava ny zava-bitany i Thierry de Bailleul

Nitondra fanazavana ma­hakasika ny fitantanana nandritra ny naha tale jeneraly azy teo aloha tao amin’ny Madagascar Airlines, i Thierry de Bailleul, omaly. Nampa­hafantarany fa vitany ny nanarina ny kaompania nandritra ny 21 volana tamin’ny alalan’ny drafitrasa Phénix 2030. Nokianiny tao anatin’izay ny tsy fietezan’ny rafi-pitantanana nataon’ireo tomponandraikitra samihafa. Nasongadiny fa […]

Tsarakofafa Toamasina : Nomena tany 250 m2 isan-tokantrano ny mponina

Nitohy ny 9 mey teo, tao amin’ny Pact Ambodimanga, ny fihaonana teo amin’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, sy ny fokonolona. Nifantoka tamin’ny fipetrahana tsy ara-dalàna ny tanin’ny seranan-tsambon’ny Toamasina, ao amin’ny Port Sec faharoa sy ny Port Sec fahatelo, any Tsarakofafa, ny fotoana. Vahaolana sady marimaritra niraisana […]