Toe-karena

Salon du Chocolat et de la Gourmandise: Hotanterahina ny sabotsy izao, ny andiany faha-8

Hotanterahina etsy amin’ny Carlton Anosy, ny sabotsy 28 marsa 2026 ho avy izao, ny « Salon du Chocolat et de la Gourman­dise ». Hetsika andiany faha-8, karakarain’ny Wednesday Morning Group (WMG). Hiara­hany miasa amin’ny BNI Ma­dagascar. “Anasongadinana ny vokatra eto amin’ny firenena sy hahafahana mamoaka ny talentan’ny Malagasy amin’ny famokarana vokatra vita […]

VAOVAO TAMBATRA

Tanterahina eto amintsika, ny 30 marsa ka hatramin’ny 4 avrily, ny « Mission économique Tunisie-Madagascar ». Hetsika hanamafisana ny fifanakalozam-barotra sy traikefa eo amin’ny firenena roa tonta. Hasongadina manokana ny fiaraha-miasa ho an’ny tombontsoa ara-toekarena sy ny fandraharahana. Marihina fa mpiara-miombon’antoka stratejika i Tonizia noho ny fananany fahaiza-manao eo amin’ny sehatry ny […]

Big Challenge : Fampandrosoana ny fizahantany sy fanatanjahantena

Hotanterahina ny 29 marsa, eny Ambohimanga, ny “Big Challenge” andiany fahadimy. Fifaninanana am-bisikileta tsy mataho-dalana (VTT) karakarain’ny Optimus Bike Academy sy ny Bike& Compo­nents. Hetsika tohanan’ny Scott sy CT Motors. «Natao manokana eny Ambohimanga ny hetsika, hampahafantarana ny rehetra ny hakanton’ny toerana sy hampiroboroboana ny fizahantany ary hizarana ireo tombontsoa […]

Brickaville sy Manakara: Napetraka ny fari-pitrandrahana

Nidina ifotony tany amin’ny kaominina Anivorano sy Fetraomby, distrika Brickaville, ny fitantanam-paritry ny harena an-kibon’ny tany (DRMRS) Atsinanana sy ny BCMM Toamasina, ny 16 hatramin’ny 20 marsa teo. Napetraka ny fari-pitrandrahana voafehy (Zone d’encadrement) ny harena ambanin’ny tany madinika tany an-toerana. Natao ny 24 marsa kosa ny tany Mahavelobe, kaominina […]

banky BMOI : Hisy tohana sy antoka ho an’ny fananganana trano fonenana vaovao

Vitsy ny Malagasy afaka manangana na manavao ny trano fonenany. Manome vahaolana ny banky BMOI, hanohanana ny mpanjifa, hisitraka trano sahaza. Manome tolotra vaovao sy miavaka ny banky BMOI, sampan’ny Vondrona BCP. Nambaran’ny tomponandraikitra fa natao ireo tolotra ireo, satria maro no tsy manana ny fahefa-mividy ho an’ny trano fonenana. […]