Hankalazaina anio 22 marsa, any Morondava, ny Andro maneran-tany ho an’ny rano (JME). Lohahevitra ny hoe «Rano antoky ny filaminana». Mialoha izany, notokanana omaly ny fotodrafitrasa mahakasika ny rano, ny fanadiovana ary ny fidiovana, teo ambany fiahian’ny minisitra Ravokatra Fidiniavo, notronin’ny minisitry ny Fanatanjahantena, Resampa Haja. Tafiditra ao anatin’ny fanatrarana […]
Toe-karena
Sehatry ny angovo : toeram-pitsaboana 2 274 hovatsina herinaratra
Paikady manokana hataon’ny fanjakana ny famatsiana herinaratra ny tobim-pahasalamana. Miisa 2 274 ny CSB I, CSB II ary hopitaly voakasik’izany, izay any ambanivohitra ny ankamaroany. Natao omaly, tetsy amin’ ny Carlton Anosy, ny atrikasa miompana amin’ny famatsiana herinaratra ny toeram-pitsaboana eto Madagasikara. Miara-misalahy ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), ny minisiteran’ny […]
Wednesday Morning Group : nizara “serviette hygiénique” azo sasana
Nizara “serviette hygiénique” azo sasana ho an’ny mpianatra teny anivon’ny CEG Ambohimanarina ny Wednesday Morning Group (WMG), omaly. Nisitraka izany ireo mpianatra zatovovavy 450 eo anivon’ny kilasy 5ème, 4ème ary 3ème eny an-toerana. Mbola mahamenatra ny maheno fa tonga fotoana ny zatovovavy. “Mila ampianarina ny zatovolahy sy ny zatovovavy fa […]
Korea – Afrika 2024 : handray anjara i Madagasikara
Voaasa handray anjara amin’ny fihaonana an-tampony Korea-Afrika 2024, any Seoul, ny 04 -05 jona, i Madagasikara. Fotoana iray hahafahan’ireo Malagasy mpandraharaha hifandray sy hifanakalo traikefa amin’ireo mpandraharaha any an-toerana. Mpiara-miasa akaiky eo amin’ny sehatry ny toekarena, efa ho 30 taona, ny roa tonta, izay nomarihina tamin’ny fifanaovan-tsonia fifanarahana, ny 28 […]
Fadintseranana: nahazo ny loka fahaiza-mitarika ny tale jeneraly Lainkana Zafivanona
Natolotra ny tale jeneraly (DG) ny fadintseranana malagasy, ny Dr Lainkana Zafivanona, ny 14 sy ny 15 marsa teo, tany Addis Abeba Etiopia, ny loka « African Leadership Commendation Award ». Fankasitrahana natao nandritra ny lanonana ofisialy nokarakarain’ny gazety boky African Leadership Magazine, ho an’ny mpanao politika, ny mpitantana rafi-panjakana […]




