Toe-karena

Teknika Papriz: mampiroborobo ny voka-bary

Nitondra fiovana lehibe eo amin’ny mpamboly vary ao Manandona, distrikan’Antsirabe II, ny fampiharana ny teknikam-pambolem-bary mahavokatra, tohanan’ny tetikasa Fanohanana ny fampandrosoana sy ny indostria eo amin’ny sehatry ny vary (Papriz). Mampitombo ny vokatra sy mampiroborobo ny toekaren’ny tantsaha ny fandaharanasa. « Nitombo avo roa heny ary tafakatra avo telo heny ny […]

Ordre des architectes (OAM): Tsy manana fahazoan-dalana ny 80% ny fanorenana trano

Mikorontana ny ankabeazan’ny fanorenana trano eto Madagasikara noho ny tsy fanatonana ireo matihanina amin’ny maritrano. Miantoka ny kalitaon’ ny fananganana trano izy ireny sy mampanara-penitra ny fotodrafitrasa miorina. «Tsy manara-penitra ny ankabeazan’ny fanorenana trano eto amintsika. Tsy manana fahazoan-dalana koa ny 80% amin’izany », hoy ny filohan’ny Holafitry ny matihanina amin’ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Mirefy 5 ha ny velaran-tany natokana ho an’ny minisiteran’ny Angovo, eny amin’ny tanàna vaovao haorina, Fieferamanga. Hananganana tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny masoandro io toerana io. Hanampy ny herinaratra mahery vaika, manana tanjaka 35 KV ihany koa eny an-toerana. Miisa roa ny orinasa sinoa manarina ny lalana RN2. Manamboatra ny ampahany […]

Manjakandriana: mpanamboatra saribao 86 nomena fiofanana

Faritra anisan’ny tena ahitana ala kininina ny distrika Manjakandriana. Toerana mpamokatra saribao, mamatsy ny aty an-dRenivohitra. Nahazo fiofanana ny mpamokatra, ka nomena mari-piofanana, ny volana septambra teo. Miisa 86 izy ireo, avy any amin’ny kaominina miisa 11, nomena fiofanana ara-teknika nohatsaraina amin’ny fomba fanamboarana saribao (Tac). Tanjona ny hitandroana ny […]