Nametrahana paompy miisa 4, siniben-drano manana hadiry 5m³ any amin’ny kaominina Andranomainty, fokontany Bermia, faritra Menabe, ny herinandro teo. Manodidina ny 600 ny mponina misitraka azy. Mandeha amin’ny herin’ny masoandro ity fotodrafitrasa ity, tambajotra fizarana rano amin’ny paompy. Manodidina ny 750 ny olona misitraka azy any amin’ny kaominina Andranofotsy. Nahazo […]
Toe-karena
Soanierana Ivongo : Natsahatra ireo mpitrandraka tsy ara-dalàna
Nidina tany ifotony, tanaty ala, ny lehiben’ny distrika Soanierana Ivongo, sady lehiben’ny OMC. Tafiditra anaty faritra arovana ny alan’Ambalanirana, fokontany Antanadava, kaominina Manompana, distrika Soanierana Ivongo, faritra Analanjirofo. Ny 18 hatramin’ny 21 marsa teo no nanatanterahina izany, niarahan’ny tomponandraikitra sivily sy miaramila, ka anisany ny fitantanam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany […]
Fampandrosoana : Ambany ny sandam-bola malagasy
Marefo ny vola eto amintsika raha oharina amin’ny firenena manodidina. Nivoitra izany nandritra ny fakan-kevitra nataon’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) momba ny fanovana ny rafitry ny vola, teny Ankatso, ny alatsinainy teo. “Vary milanja 6 kilao no azon’ny vola 20 000 Ar eto Madagasikara”, hoy ny talen’ny antotanisan’ny BFM, Razafimanantena […]
Airtel: Fanampiana ho an’ny traboina any Mahajanga
Ankoatra ny rivodoza Gezani tany Toamasina, tsy nijery fotsiny ny traboina tratry ny rivodoza Fytia tany Boeny sy Betsiboka ny orinasa Airtel Madagasikara sy ny Fondation Airtel Afrika. Tokantrano miisa 500 no nisitraka fanampiana vonjitaitra sy sakafo tany Mahajanga, hitsinjovana ireo tratry ny fahasimbana vokatry ny orambe. Nitohy tany amin’ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Tanterahina eny Ankatso ny fakan-kevitra ataon’ny Banky foiben’i Madagasikara, miaraka amin’ny mpianatra, mpampianatra ary mpikaroka momba ny fanovana ny rafitry ny vola. Hatramin’ny ora nanoratanay dia mbola nitohy ny adihevitra niarahana tamin’ireo mpisehatra samihafa. Tsiahivina fa tetikasan’ny BFM ny hanafoana ny vola taratasy manomboka amin’ny 2 000 ka hatramin’ny 20 […]




