Toe-karena

JMT : tafapetraka ireo vina sy fanamby

Ambohipihaonan’ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny fizahantany eto Madagasikara, hanamafisana ny maha zava-dehibe ity sehatra ity sy hanehoana ireo olana sy fanamby atrehiny ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny fizahantany (JMT) natao tany Antsirabe, ny 26 sy 27 septambra teo. Nasongadina nandritra ny fihaonana tamin’ireo mpisehatra samihafa sy mpandraharaha eo […]

We Finance Code (WeFi Code) : hampiroborobo ny fandraharahan’ny vehivavy

Nampahafantarina afakomaly, teny amin’ny foiben’ny Banky iraisam-pirenena Anosy, ny fandaharanasa We Finance Code (WeFi Code). Hanohana sy hanampy ny famatsiam-bolan’ny vehivavy mpandraharaha ary hamorona asa marin-toerana sy maharitra ny tetikasa. Iray amin’ireo firenena sivy aty Afrika hanatanterahana ny fandaharanasan’ny Ban­ky iraisam-pirenena «Woman Entrepreneurs Finance Initia­tive Code» (WeFi Code) i Madagasikara. […]

Hazandrano : 150 000 taonina ny vokatra eto amintsika

Manodidina ny 150 000 taonina ny famokarana trondro eto Madagasikara. « Vo­ka­tra azo avy eny an-dranomasina sy an-dranomamy ary ny fiompiana izany », hoy ny tale jeneralin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, Rakotosoa Rado, nandritra ny fanokafana ny Tsenaben’ny hazandrano andiany fahefatra, omaly, teny amin’ny Kian­ja Barea Mahamasina. Imasoana, hoy izy, ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Milanja 125 300 taonina ny vary nafaran’i Madagasikara nandritra ny enim-bolana voalohan’ny taona, izany hoe, nihena mihoatra ny 50% raha oharina ny tamin’ny taona 2023, izay nahatratra hatrany amin’ny 269 600. Mitentina 316,4 miliara Ar ny totalimbidin’ireo fanafarana, raha tafakatra hatrany amin’ny 511,4 miliara izany tamin’ny taon-dasa. Tombanan’ny FAO fa mila manafatra […]

Sandam-bola : tafakatra 5 000 Ar ny euro

Mitotongana ny vola malagasy, nisanda 5 000,32 Ar ny euro iray, araka ny tarehimarika tao amin’ny tranokalan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM), omaly. Niainga 4 988,00 Ar izany omaly tamin’ny 11 ora maraina. Tafakatra 5 000,32Ar tamin’ny fifanakalozam-bola, nikatona tamin’ ny 3 ora tolakandro, araka ny tarehimariky ny BFM. Tao anatin’ny iray volana, nanafosafo […]