Toe-karena

Fadintseranana: Volavolaina ny Drafitrasa stratejika 2025-2029

Mitohy ny fanavaozana ny fomba fiasa ao amin’ny fitantanana ny fadintseranana. Eo ny fanatsarana ny ao anatiny, ary miditra amin’ny fifandraisana amin’ireo mpisehatra indray izao. Atao eto Antananarivo, ny 24, 25 ary ny 26 septambra izao, ny atrikasa fakan-kevitra rehetra, amin’ireo mpandraharaha sy ny rafi-panjakana voakasiky ny varotra ivelany. Fotoana […]

Ambatovy: Ankizilahy ny 25% amin’ireo hisitraka vatsim-pianarana

Novelarina amin’ny tovoloahy ny fisitrahana ny fandaharanasa fanomezana vatsim-pianarana ho an’ireo mpianatra mendrika ao amin’ny ambaratonga faharoa eo anivon’ny faritra hiasan’Am­batovy. Manomboka izao, hahatratra 25% ireo ankizilahy hisitraka izany raha toa ka laharam-pahamehana hatrany ny ankizivavy. Vatsim-pianarana 600 ho an’ny mpianatra 243 no efa nomen’Ambatovy mba hahafahan’izy ireo manohy fianarana. […]

Multiple Indicator Cluster Survey (MICS) 7: tokantrano 21 000 hanaovana fanadihadiana

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny andiany fahafito amin’ny “Fanadihadiana ny toe-piainan’ny ankizy sy ny vehivavy – Multiple Indicator Cluster Survey (MICS 7)” izay atao anatin’ny efa-bolana ka hahafahana manangona tondromarika ho an’ny famolavolana ny tetikasam-pampandrosoana. Tanterahina amin’ity taona 2024 ity, manomboka ny volana septambra ka hifarana ny volana desambra, […]

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 90 ny osy natolotra ny tokantrano 30 any amin’ny tanàna vaovao naorina any Bezeky Menabe. Samy nahazo osy lahy iray sy vavy roa ny isan-tokantrano. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa «Titre vert», napetraky ny filoham-pirenena ity hetsika ity, tamin’ny alalan’ny Fitantanam-paritra Drae Menabe. Hisy koa ny fanohanana ny fiompiana tantely. […]