Mitotongana hatrany ny sandam-bola malagasy. Tao anatin’ny iray volana, manafosafo ny 5 000Ar ny euro iray. Omaly, nisanda 4 965,52 Ar ny euro iray, raha 4 524,70Ar kosa ny dolara. Nilaza ny minisitry ny Toekarena sy ny fitananam-bola, fa « mihena ny fampiasana ny euro eto amintsika raha oharina amin’ny dolara. […]
Toe-karena
Banky foiben’i Madagasikara : mitady mpamatsy volamena
Miverina misokatra indray ny tolo-bidy amin’ny ividianan’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) volamena. Manao antso ho fanehoana tombontsoa (appel à manifestation d’intérêt) ka mitady mpamatsy volamena ny BFM ka vonona handray ny vokatra rehetra na ny ampaham-bokatra mbola tsy voadio ananàn’ireo mpisehatra. Mpandraharaha ara-dalàna sy matihanina no tadiaviny, izany hoe ireo […]
Airtel Africa : vatsim-pianarana teknolojia ho an’ny firenena 14 aty Afrika
Nampahafantarina ny 10 septambra 2024 teo ny fandaharanasa vatsim-pianarana Airtel Africa, ho an’ny mpianatra hiditra ao amin’ny Sekoly ambony mahakasika ny teknolojia (IIT Madras Zanzibar). Hanohanana ny mpianatra mendrika, nefa sahirana ara-pivelomana, ity vatsim-pianarana ity. Sekoly ambony voalohany natsangan’ny Indian Institute of Technology Madras (IITM) any ivelany ny any Zanzibar […]
Distrikan’i Manandriana : dahalo maty voatifitra
Dahalo mpangalatra omby maty voatifitry ny polisim-pirenena tao amin’ny fokontany Mahasoa II, kaominina Ambovombe Centre, distrika Manandriana, afakomaly. Nanafika mpiompy omby tao amin’io fokontany io ny olon-dratsy miisa fito. Nahare ny fisian’io tranga io, nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny mpitandro filaminana. Namoaka basy ary nanambana ny iray tamin’ireo jiolahy. […]
Rio Tinto QMM : nizara fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra
Nizara fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra 258 ao amin’ny kaominina valo, ao amin’ny disitrikan’i Tolagnaro, omaly, ny Rio Tinto QMM. Nandritra ny taona maro, nandray andraikitra tamin’ny alalan’ny fanaovana hetsika maro ny Rio Tinto QMM mba hanatsarana ny sehatry ny fampianarana sy ny fanabeazana misy eto amin’ny Nosy. Mba hanenana ny […]