Toe-karena

Fampiroboroboana ny nomerika : Lasa Oniversite virtuelle publique ny CNTEMAD

Sehatra stratejika hanatsarana ny rafi-pampianarana ao amin’ny CNTEMAD ny fampiasana ny niomerika. Fandaharanasa tohanan’ny Banky Iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny tetikasa Decim. Dingana lehibe eo amin’ny sehatry ny fampianarana ambony sy ny fampiroboroboana ny niomerika no vitan’i Madagasikara amin’ny alalan’ny fanovana ny CNTEMAD ho Oniversite Virtuelle Publique (UVP). « Tan­jona ny hisitrahan’ny mpianatra […]

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 14 550 ireo nisitraka mivantana ny fandaharanasa Afafi-Nord nandritra ny 96 volana nisiany. Tohodrano 22 no vita ka nahafahana namatsy rano tanimbary hatrany amin’ny 9 823 ha, mandavantaona. Fahombiazana tanteraka ny tetikasa sady nanohana ny fampandrosoana ny tokantrano teny anivon’ireo faritra telo niasany, entina hanohanana ny famokarana sy ny fiharian’ny tantsaha. […]

Fandrindrana ny vokatra: Vidin’ny orinasa SPM 1 500Ar ny kilaon’ny vary akotry

Nifanakalo hevitra mivantana tamin’ny tantsaha ny fanjakana tamin’ny alalan’ny mi­nisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana manoloana ny fikorontanan’ny vidim-bary. Ta­paka taorian’ny dinika fa hovidin’ny orinasa State Pro­curement of Madagascar (SPM) ara-drariny ny vary akotry eny amin’ny tantsaha. Hetsika izay natomboka teny Imerintsiatosika, ny alarobia teo. Araka izany, ho alain’ny orinasa amin’ny […]

Fikarohana siantifika : Nankasitrahan’ny AJE ny Pr Lily-Arison René sy ny Pr Jonah Ratsimbazafy

Ankoatra ny fanaovan-gazety mahazatra, manana adidy amin’ny maha olom-pirenena ihany koa ny Fikambanan’ny mpanao gazety mikirakira ny tontolo iainana. Ao anatin’izany ny fankasitrahany ny Malagasy mpikaroka. Notoloran’ny Fikambanan’ ny mpanao gazety mikirakira ny tontolo iainana (AJE), mari-pankasitrahana, omaly, ny profesora Lily-Arison René de Roland, mpahay ny vorona (ornithologue), sy ny […]