Hotanterahina amin’ny faritra 11 (Analanjirofo, Anosy, Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana, Atsinanana, Fitovinany, Melaky, Menabe, Sofia, Vatovavy, Vakinankaratra), hatramin’ny taona 2029, ny tetikasa East Africa Girls Empowerment and Resilience (Eager). Hanabe sy hanamafy ny traikefa arak’asa sy hanome asa ny vehivavy izy io. Tanjona ny hampitombo ny fahaiza-manaony ka hitondrany ny […]
Toe-karena
Trafika harena voajanahary : Lehilahy iray nosamborina teny amin’ny seranan’Ivato
Malagasy iray, anisan’ny atidoha mpikotrika fitrandrahana antsokosoko harena voajanahary no tra-tehaka teny amin’ny seranan’Ivato. Efa ela nokarohina izy ity amin’ny resaka fandikan-dalàna. Anisan’ny mpitarika tambajotran-jiolahy mpitrandraka sy mpanondrana antsokosoko harena voajanahary ity lehilahy ity. Anisan’ izany ny sokatra, ny raharaha famotsiam-bola sy kolikoly. Voasambotra teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ny […]
Famatsian-jiro : Manana vokatra ambiny, mihoatra ny 20 MW, ny Jirama
Nitondra fanazavana, omaly, ny tomponandraikitry ny Jirama. Ampy tsara ny herinaratra ao amin’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA). Manana vokatra ambiny mihoatra ny 20 MW ny orinasal. Antony hafa no mahatonga ny fahatapahan’ny herinaratra, ankehitriny. Antitra ny fotodrafitrasa toy ny vata mpanova herinaratra, izay mizaka hatramin’ny 150% ny vesatra tokony hoentiny. Vahaolana […]
Trafika: Sokatra 152 tratra teny 67 Ha
Tra-tehaka tao amin’ny tokantrano iray teny 67 Ha ny zana-tsokatra miisa 152, ny alin’ny 30 marsa teo. Natao tanaty valizy roa izy ireo, karazana « Astrochelys radiata », ka azo heverina fa mety kasaina hoentina any ivelany. Olona tsara sitrapo no nampandre ny Polisim-pirenena ao amin’ny kaomisaria 67 Ha, ary niara-niasa tamin’ny […]
Angovo azo avaozina : Hisy fihaonambe hanampiana ny tanora, karakarain’ny FabLab EnR-out
Hanampy an’i Madagasikara hakany amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina ny fahaiza-manaon’ny tanora. Hisy araka izany ny fihaonambe natokana hampirantiana ny zava-bita sy ny traikefa hanana ary hanamora ny fidiran’izy ireo eo amin’ny sehatry ny asa. Tombony! Maharitra 2 800 ora isan-taona ny taramasoandro azon’i Madagasikar. Mamokatra 5 ka hatramin’ny 7 […]





