Nanohina ny antso nataon’ny toeram-pitsaboana CHU Analakininina na Hôpitalibe ny orinasa Ambatovy, manoloana ny fahatapahan-jiro ao an-tampon-tanànan’i Toamasina. Nanolotra gropy mamokatra herinaratra vaovao, manana tanjaka 17 KVA, hanamafisana ny famatsiana herinaratra, indrindra ho an’ny Sampandraharaha misahana ny fahasalaman’ny zaza ny orinasa, omaly. Manan-danja tokoa ny fanampiana toy izao, indrindra amin’ny […]
Toe-karena
VAOVAO TAMBATRA
Niray hina nanome fanampiana ny traboina any Toamasina ny mpiasan’ny Fitantanam-paritry ny Harena an-kibon’ny any Atsinanana sy ny mpikambana anaty Sendikan’ny mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny harena ambanin’ny tany. Fitaovana, toy ny ordinatera, fanaovana printy, kojakoja birao, sns. Eo koa, ny fanampiana sakafo, toy ny vary sy menaka, miampy lelavola. […]
Zezika tain-dramanavy : Nanorenana ozinina ao Toliara II
Notokanan’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, omaly, ny orinasa fanodinana ny tain-dramanavy ho lasa zezika, ao Ankilifolo, kaominina Belalanda, distrika Toliara II. Hanala ny tantsaha amin’ny fahasahiranany, indrindra ny any Atsimo Andrefana, ity tetikasa ity. Satria, lafo ny vidin’ny zezika, izay 4 000 Ar ny kilao, ka […]
Vokatry ny rivodoza : Ahina ny hisian’ny mosary
Tandidomin-doza tanteraka ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo taorian’ny fandalovan’ny rivodoza. “Ahina ny hisian’ny mosary noho ny fahasimban’ny vokatra rehetra any an-toerana, kely ihany koa ny vola miditra isan-tokantrano ka hampihena ny toekarena”, hoy ny mpandraharaha, Mandraina Frédéric, anisan’ireo rava trano. Notohizany fa mety hitranga afaka telo volana izany noho ny […]
Sehatra tsy miankina : Miara-mientana hanolo-tanana an’i Toamasina
Taorian’ny fiarahamonim-pirenena, nitodika amin’ny sehatra tsy miankina ny governemanta, nandinika ny handrindrana ny fanampiana ireo traboina ao Toamasina. Natao tetsy amin’ny trano fivorian’ny minisitera ny Raharaham-bahiny (MAE), omaly, ny fivorian’ny fanjakana sy ny OMC amin’ny fanampiana ireo mponina ao Toamasina, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani. “Tanjona ny handrindrana ny fandefasana ireo […]




