Toe-karena

Sehatry ny asa: 60 000 ireo ho raisina mpiasam-panjakana

Haverina, hanatevenana indray ny mpiasam-panjakana, ny fandraisana ireo « Employés fonctionnaires assimilés » (EFA) sy ny “Employés de longue durée” (ELD) miisa 65 279 rehefa niato izany ny volana febroary 2020. Io ny fampahafantarana nataon’ny minisitry ny Asa, ny fampanananasa ary ny asam-panjakana, (MTFOP) Florent Soatiana Bety Léonne. “Niainga tamin’ny fanadihadiana lalina nataon’ny […]

Fanondranana drakaka: voafaritra ny « quota » ho an’ny mpandraharaha tsirairay

Nivoaka taorian’ny dinika niarahan’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga sy ny solontenan’ny Fiaraha­mo­nim-pirenena ary ny Bianco ny « quota » andiany voalohany ho an’ireo mpandraharaha mpanondrana drakaka, ho an’ ny taona 2026. Araka izany, na­­tokana ho an’ireo orinasa efa miantsehatra amin’ny seha-pihariana drakaka ny 70% ny « quota » ny fanondranana. Mi­isa 13 […]

FIVMPAMA: mitaky fanovana lalina amin’ny rafitra ara-toekarena

Ilaina ny fanovana ara-drafitra amin’ny alalan’ny fametrahana ny « Small Business Act » hanatsarana sy hampivoarana ny fandraharahan’ny orinasa madinika eto Madagasikara. Izy ireny izay mandray anjara feno amin’ny fampandrosoana ny toekarem-pirenena. Mitaky fanovana lalina eo amin’ny rafitra ara-toekarena eto Mada­ga­sikara ny filohan’ny Fivon­dro­nan’ny mpandraharaha mala­gasy (Fivmpama), Rakoton­dra­sanjy Rivo. Ma­nen­tana ny […]

Taxi-moto: tafakatra 30 000 Ar ny saran-dalana

Niroborobo ny fitaterana taxi-moto any Mangamila Anjo­zorobe, amin’izao vanim-potoana faran’ny taona izao. Antony, tena ratsy ny lalana, vokatry ny rotsakorana tsy ankijanona any an-toerana. Anisan’ny tena voakasik’izany ny miainga eo Mangamila miatsinanana, mandalo ny kaominina Tsarasaotra sy Alakamisy, miafara any amin’ ny fokontany Ambohibary sy Andranomay. Tsy tongan’ny fiara fitaterana […]