Toe-karena

Famatsiam-bola Exim Bank: hatsaraina ny tambajotra herinaratra RIA

Misy ny tetikasa goavana, hitaterana herinaratra hanatsarana ny Tambajotra irai­san’Antananarivo (RIA), ho an’ny faritra Analamanga, Vaki­nankaratra ary Itasy. Ta­fiditra ao anatin’ny tetikasa « Tana Medium Ring » (TMR) ity asa ity, vatsian’ny banky sinoa Exim Bank. Tanjona ny hampitomboana ny tahan’ny mpanjifa misitraka herinaratra, araka ny voasoritra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana […]

Karama ambony indrindra: mijanona ho 20 % ny tahan’ny Hetra alaina amin’ny karama (Irsa)

Tsy mitovy avokoa ny hetra alaina amin’ny karaman’ny tsirairay. Mijanona ho 20 % ihany kosa ny tahan’ny Irsa alaina amin’ny ampahan-karama ambony indrindra. Manamafy ny Foibem-pitondrana ankapobeny ny hetra (DGI) fa mijanona ho 20% ny tahan’ny hetra alaina amin’ny ampahan-karama ambony indrindra taorian’ny filazana niparitaka fa hiakatra ho 25 % […]

Afo tany Isalo: olona iray voasambotra

Nanome fampitam-baovao ny Madagascar National Parks (MNP), sampana Ranohira, fa nirehitra ny tanety ma­no­didina ny 2 ha tany amin’ny valanjavaboahary Isalo, ny sabotsy 3 aogositra teo tokony ho tamin’ny 12 atoandro. Voafehy ny ampitso 4 aogositra tamin’ny 4 ora maraina ihany izany. Miisa efatra mitsitokotoko ny fiandohan’ny afo tany andrefana […]

Germain, tale jeneralin’ny hetra : « Manenjika 4 635 miliara Ar ao anatin’ny kitapom-bolan’ny fanjakana izahay »

Sehatra iray mampimenomenona olona maro ny fomba fiasa eny anivon’ny ivon-ketra isan-tsokajiny. Manginy fotsiny ny vola aloa. Mi­tondra fanazavana mahakasika izany ny tale je­neralin’ny hetra, Germain. * Gazety taratra (*): Andriamatoa Tale jeneraly, inona avy tompoko ny karazan-ketra tokony haloa eto Madagasikara? – Germain, tale jenera­lin’ny hetra (-): Maro ny […]