Tafiditra amin’ny fanarenana ny lalam-pirenena fahadimy (RN5) izay mampitohy an’i Toamasina sy Foulpointe, ny fitondram-panjakana amin’izao. Lalana stratejika ho an’ny fivezivezena samihafa, indrindra nandritra fotoam-piotazana letisia, io lalam-pirenena io. Anatin’ny asa tanteraka amin’izao fotoana ireo tomponandraikitra na teo aza ny fahatarana noho ny antony maro, toy ny rotsakorana nifanesy. Nananosarotra […]
Toe-karena
Tao anatin’ny 11 volana: Maherin’ny 6 t ny lohamenaka naondrana
Taom-pahombiazana ho an’ny sehatry ny fanondranana lohamenaka ny taona 2025 satria nampidi-bola hatrany amin’ny 452,3 miliara Ar tao anatin’ny kitapombolam-panjakana. Vokatra 6 700 taonina no naondrana teo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Tsara ny vokatra, tafakatra hatrany amin’ny 6 700 taonina ny lohamenaka naondran’i Madagasikara tao anatin’ny 11 volana voalohan’ ny taona […]
VAOVAO TAMBATRA
Voajinja avokoa ny 70% ny vary ao Andriamiarana Morondava, kaominina Ambohibao Antehiroka, distrika Ambohidratrimo. Ankehitriny, efa masaka ihany koa ny ambiny ary mandeha tsara ny fanalana rano ka tsy atahorana amin’ireo vary masaka na teo aza ny rotsakorana nandritra ny faran’ny herinandro. Nampanantsoina avokoa ireo mpivaro-kena tsy mbola nahavita fanamarinana […]
Fampandrosona : Vonona hanohana an’i Madagasikara ny Bad
Mandray anjara mavitrika amin’ny fivorian’ireo Governoran’ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana (Bad), izay atao any Abidjan nanomboka ny talata 6 janoary, ny minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola malagasy, Dr Ramiarison Herinjatovo Aimé. Fihaonana ambony natao ho sehatra ifampizarana traikefa sy fifampidinihana ara-stratejika eo amin’ireo firenena mpikambana sy ny Bad, indrindra […]
Toamasina : Oratsimba 7 taonina mahery nogiazana
Tsy ara-dalàna. Nogiazana avokoa ireo oratsimba milanja 7 491 kilao tratra nandritra ny fanaraha-maso nataon’ny Centre de Surveillance des Pêches (CSP) tao Toamasina, ny volana desambra teo. Nivoitra tao anatin’ny fitsirihana fa tsy ampy refy ary tsy nanaraka ny fepetra takina amin’ny fanondranana ny 2 441 kilao tamin’ireo vokatra. Ankoatra […]




