Mitaky ny mangarahara tanteraka ny amin’izay mety ho anton’ny fikorontanana, mangataka tatitra ara-teknika ampahibemaso amin’ny Mvola ka ahitana ny antony mahatonga ny olana, ny fepetra fanitsiana sy fanarenana ary ny mba hisorohana ny fiverenan’ny olana. Ireo no fepetra nangatahin’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra ary ny […]
Toe-karena
Fizarana « Kits solaires »: Iray vina ny Paositra Finances sy ny Mbalik
Vita sonia ny zoma teo ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Paositra Finances sy ny Mbalik hanamorana ny fisitrahan’ny tokantrano sy ny orinasa madinika ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro. Kendrena ny fampiatiana ara-angovo sy ara-bola amin’ny alalan’ireo vokatra vaovao mifanaraka amin’ny fahafan’ny mpanjifa tsirairay. «Tanjona ny hampanakaiky ny tolotra ara-bola […]
VAOVAO TAMBATRA
Tafakatra 646 miliara Ar ny tetibola natokana ho an’ny sehatry ny angovo. Niakatra maherin’ny 8,4 miliara Ar izany raha oharina ny tamin’ny taon-dasa izay mitentina 562 miliara Ar. Natao hanavaozana sy hanarenana ny orinasa Jirama io vola io, fa indrindra hanomezana vahana ny fironana mankany amin’ny fampiasana angovo azo havaozina. […]
Fampiroboroboana ny indostria: Hanamarin-toerana ny fandraharahana ny Cnim
Andry iankinan’ny toekarena ny fampandrosoana ny indostria amin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina. Hanara-maso ny fanatanterahana ny fifanarahan’ny roa tonta ny filankevi-pirenena ho an’ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara (Cnim). Fanoitry ny fampandrosoana ny toekarena ny indostria sy ny tontolon’ny fandraharahana. Manome vahana ny fampiasam-bola amin’ireo sehatra […]
CATI: Manamafy ny fikarohana hanatsarana ny toekarena
Hanamafy ny fifaninanana ara-toekarena, hanohanana ny fikarohana sy ny fanavaozana ara-teknolojia ary hanome sehatra ahafahan’ireo mpianatra, mpikaroka sy mpamorona ary orinasa madinika sy salantsalany (PME) ny ivontoerana fanohanana ny teknolojia sy ny fahitana vao (Cati). Kendrena ny hahafahan’ny mpandraharaha mivelatra, ahafahany mikaroka sy manamafy ny fahaiza-manaony. Manana tahirin-kevitra hatrany amin’ny […]




