Toe-karena

Banky iraisam-pirenena: mponina 6 tapitrisa mahery hisitraka 205 tapitrisa dolara

Hisitraka tohana mitentina 205 tapitrisa dolara ireo mponina maherin’ny 6 tapitrisa avy eto Madagasikara, kaomoro ary Mozambika amin’ny alalan’ny fandaharanasam-paritra vaovao an’ny Banky iraisam-pirenena manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro. Nanka­toa izany Programme régional pour la préparation aux situations d’urgence et un relèvement inclusif (Repair). Fito andro aorian’ny loza voajanahary dia hisitraka […]

Vonona hanampy an’i Madagasikara ny Tahirim-bola iraisam-pirenena

Samy mahatsapa ny maha sarobidy ny fiaraha-miasa eo amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-bola ny fitondram-panjakana sy ny avy amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena. Izany indrindra no anton’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Tontosa omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Am­bo­hitsorohitra, ny fandraisan’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry, ny solontena vaovaon’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI), i Kodjovi Mawulikplimi […]

Cop11: fiarovana ny tontolo an-dranomasina

Hatao ny 20 hatramin’ny 22 aogositra ho avy izao, eny amin’ ny CCI Ivato, ny fivoriambe iraisam-pirenena mahakasika ny rafitry ny Firenena mikambana (Cop 11), araka ny fifanarahan’i Nairobi, momba ny fiarovana, ny fitantanana ary ny fampandrosoana ny tontolo iainana an-dranomasina sy ny morontsiraka. Voakasik’izany ny firenena aty amin’ny ranomasimbe […]

Tontolo iainana ankoatra ny ala: mila sazy henjana ny fandikan-dalàna

Eo am-pamolavolana ny fehezan-dalàna mahakasika ny fandikan-dalàna momba ny tontolo iainana ankoatra ny lafiny ala. Lalàna hentitra no mila hampiharina. Maro ny fanamby mahakasika ny tontolo iainana mila hatrehina. Ao anatin’izany ny fahalotoan’ny tany, ny rano ary ny rivotra. Tsy ampy anefa ny lalàna mazava sy voafaritra tsara mifehy ny […]