Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly tolakandro, tao Analamalotra, ny taom-piotazana letisia 2025, ho an’ny faritra Atsinanana. Tsara ny vokatra tamin’ity taona ity raha oharina ny tamin’ny teo aloha na eo amin’ny lafiny kalitao na eo amin’ny vidiny. Ankehitriny, lasa 2 150Ar ny kilaon’ny letisia raha toa ka 1 000Ar izany tamin’ny taon-dasa. […]
Toe-karena
Famokarana herinaratra: Maro ny loharanon’ angovo azo trandrahina
Ny Jirama hatrany no fantatra rehefa miresaka ny sehatra angovo eto Madagasikara. Maro nefa, hoy ny mpikirakira azy, ireo mpisehatra miara-misalahy amin’ny famokarana sy fampihodinana izany. Rano, masoandro, rivotra, ranomasina… «Mbola ambany ny taham-pisitrahan’ny Malagasy herinaratra noho izy mitaky famatsiam-bola, manampy trotraka ihany koa ny fikirakirana antontan-taratasy samihafa », hoy […]
Toekarena: Marefo ny fandraharahana eto Madagasikara
Mananosarotra ny fidirana amin’ny sehatry ny asa sy ny fandraharahana eto Madagasikara. Tanora avokoa ny 70% ny tsy an’asa raha 8% ireo tanora mitady asa no mikasa hanangana orinasa, araka ny tarehimarika navoakan’ny fikambanana misehatra amin’ny fanofanana ny tontolon’ny fandraharahana, « Centre d’excellence et d’entrepreneuriat, » (Ceentre), omaly. « Mila volena ao amin’ny […]
Teti-bola 2026 : Mitentina 26 799,7 miliara Ar ny asa hotanterahina
Natolotry ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Dr Ramiarison Herinjatovo, teny amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza, omaly, ny volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana (PLFI 2026). Tafakatra hatrany amin’ny 26 799,7 miliara Ar, ny tetibola enti-manatanteraka ireo tetikasa. Misongadina ao anatin’izany ny fandaniana ataon’ny fanjakana sy ireo andry ara-toekarena. Manazava ny vola miditra, […]
Fampiasana tambajotra sosialy: Tratra ny vehivavy iray mpivarotra sokatra
Voasambotra, taorian’ny vela-pandrika nataon’ny OPJ, polisin’ny rano sy ala, eo anivon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy (MEDD), omaly, ny vehivavy iray mpivarotra sokatra ao amin’ny tambajotra sosialy. Efa narahi-maso andro maromaro ny tenany noho io teti-dratsy io ka izao tratra izao niaraka tamin’ny biby arovana nefa saika hamidiny. […]




