Toe-karena

CNAPS : Nametra-pialana ny tale jeneraly

Tontosa omaly tao amin’ny foiben’ny Cnaps Ampefiloha ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny tale jeneraly teo aloha, Rahaingonjatovo Vimbina sy ny solotenan’ny minisiteran’ny Asa, Fampananan’Asa ary ny Asam-panjakana, izay minisitera mpiahy. Ity farany izay hiandraikitra ny dingana rehetra mifandraika amin’ny fanendrena izay ho Tale Jeneraly vaovao handimby azy. Maneho ny faniriany mba […]

Famatsiana herinaratra : Hiampy 43,5 MWc ny RIA amin’ny faran’ny volana janoary

Hiampy 43,5 MWc ny herinaratra eto amin’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA) amin’ny faran’ity volana janoary ity. Herinaratra vokarin’ny tobim-pamokarana mandeha amin’ny masoandro efatra vao naorina, dia Ambatomirahavavy, Ambohidrano Ilafy, Mangatany ary Ampangabe. Nanamafy izany ny minisitry ny Angovo sy ny Akoran’afo, Ralitera Ny Ando Jurice, nandritra ny fandaharana manokana tao amin’ […]

VAOVAO TAMBATRA

Maizina tanteraka ny tanànan’i Mandritsara noho ny fahataran’ny fahatongavan’ny solika hampiodinana ireo milina mpihary herinaratry ny Jirama. Ratsy ny lalana mampitohy an’Antsohihy sy Mandritsara taorian’ny ora nikija nandritra ny telo andro, vokany voatery tafajanona ao Ambodiadabo, 50 km tsy hidirana an’i Mandritsara ilay fiarabe mitondra solika. Mitotongana ny vola malagasy. […]

Lalam-pirenena fahenina (RN6): Mizotra am-pilaminana ny fitaterana

Miverina amin’ny laoniny ny fampitana fiara eo Ifasy, amin’ny lalam-pirenena fahenina (RN6) taorian’ny fahasimban’ny “carénage” izay ni­diran’ny rano ka niteraka tsy fahatomombanana tamin’ny fitaovana. Ity farany izay nampiato vonjimaika ny fitaterana, raha ny fampahafantarana na­taon’ny minisiteran’ny Asa va­venty. Nivoitra tao anatin’izay fa vita ny alatsinainy teo ny asa hanamorana ny […]