Miisa telo ny fivoriambe faratampony iraisam-pirenena mahakasika ny tontolo iainana (COP) ho hatrehin’i Madagasikara amin’ity taona ity. Voakasin’izany ny COP 16, mahakasika ny karazan-javamananaina, hatao any Colombie (21Okt-11 Nov), ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro COP 29 hatao ny (11 Nov-24 Nov) any Azerbayjan ary ny ady amin’ny fiatrehana ny tany […]
Toe-karena
Fanondranana antsokosoko : manara-maso ny sisintany ny ladoany
Manao hetsika fanaraha-maso ny sisintanin’i Madagasikara ny Fadintseranana malagasy. Anisan’ny tanjona ny ady amin’ny fanondranana antsokosoko. Nanatontosa fitsirihina fanaraha-maso ny sampandraharahan’ny fadintseranana (DGD) ny faran’ny herinandron’ny volana jolay teo. Natomboka tany amin’ny tapany avaratra andrefan’i Madagasikara, izay notarihin’ny tale jeneraly (DG) sy ny talen’ny Fanaraha-mason’ny ladoany ary ny mpiara-miasa ao […]
Tetikasa Ourson : hampihena ny fahatapahan-jiro sy ny vidin’ny angovo
Fotodrafitrasa hahazoana angovo avy amin’ny masoandro mirefy 88 000 m2 no andalam-panatanterahana ao amin’ny faritra indostrialin’ny vondrona Filatex eto Antananarivo, nanomboka ny fiandohan’ny taona teo. Mamokatra herinaratra 11 megawatt izy ireo ary mbola azo haitatra hatramin’ny 14 megawatt. « Ity tetikasa Ourson ity dia hampihena ny fahatapahan-jiro sy ny vidin’ny angovo ary […]
VAOVAO TAMBATRA
Notolorana fitaovam-pamokarana ny tantsaha miisa 219 anaty fikambanana miisa 12 any amin’ny kaominina maromaro, anatin’ny distrika Analalava. Fitaovana toy ny « motoculteurs », « motopompe », « tuyau d’aspiration », « refoulement », « batteuse » elektrika, angadinomby, « pulvérisateur », hersa, sns. Nisy koa fitaovana ho an’ny fiompiana, toy ny fefy « grillage », « fil de fer », « glacière », sns. Nahazo fitaovana samihafa ny […]
Fifanakalozana ara-barotra: havaozina alohan’ny taona 2025 ny Agoa
Tapaka fa havaozina mialoha ny taona 2025 ny fifanarahana ara-barotra eo amin’i Etazonia sy ny firenena afrikanina taorian’ny fivoriambe faha-21 natao tany Washington ny 24 hatramin’ny 26 jolay. Vato fehizoron’ny fifandraisana ara-barotra eo amin’ny firenena roa tonta ny Agoa sady miantoka ny fampiroboroboana ny toekarena aty amin’ny firenena mpisitraka izany. […]