Toe-karena

Seranam-piaramanidina: famatsiam-bola 15 miliara Ar hiasan’ny Adema

Tsy nahazo ny vola tokony ho anjarany ny orinasam-panjakana Adema efa an-taona maro. Hamatsy vola azy ny fanjakana foibe entina hampandehanana ny asa fitantanana sy ny fikojakojana. Mitantana ny seranam-piaramanidina rehetra eto Madagasikara ny orinasam-panjakana Adema S.A, afa-tsy ny eny Ivato An­ta­nanarivo sy Nosy Be. Tsy na­rotsaka tany aminy anefa […]

Andranomainty Miandrivazo: karatany 454 natolotra ny tantsaha

Ho afaka mamokatra am-pahatoniana sy manatsara ny famokarany ny mpamboly rehefa milamina ny fananatany. Natolotra ireo mponina ao amin’ny fokontany Andranomainty sy Betalatala, distrika Miandrivazo, ny 23 desambra teo, ny karatany miisa 454. Tamin’ny alalan’ny tetikasa “AD2M” no nahafahana nanatanteraka ity fiarovana ny fananantany ity, famatsiam-bola avy amin’ny Fida. Niara-niasa […]

Tetikasa AD2M: mamboly vary intelo isan-taona ny any Miandrivazo

Karazam-bary sahaza, mahatanty ny toetr’andro mafana any Menabe, ny Sebota 70. Hahazoana vokatra 6t/ha ary azo ambolena intelo isan-taona. Omena toerana ny tan­tsaha any amin’ny kaominina haneho ny vo­katr’izy ireo eo amin’ny tsena. Mitondra fampandrosoana eny ifotony izany, indrindra ho an’ny firenena, hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo maharitra. Natao ny 19 […]

Tetikasa Folur 86 000 ha hotantanina maharitra

Miompana amin’ny hananganana rafitra ara-tsakafo ma­haritra sy famokarana ara-tsakafo ny tetikasa “Food Systems Land Use and Restoration» (Folur). Tanjona ny hitantanana maharitra velarantany 86 000 ha manerana ny Nosy, ka ha­verina amin’ny laoniny ny 10 000 ha amin’izany. Miisa 30 000 ny tantsaha mpamokatra vary sy kafe hotohanana. Harovana manokana sy tahirizina ny […]