Tapaka fa havaozina mialoha ny taona 2025 ny fifanarahana ara-barotra eo amin’i Etazonia sy ny firenena afrikanina taorian’ny fivoriambe faha-21 natao tany Washington ny 24 hatramin’ny 26 jolay. Vato fehizoron’ny fifandraisana ara-barotra eo amin’ny firenena roa tonta ny Agoa sady miantoka ny fampiroboroboana ny toekarena aty amin’ny firenena mpisitraka izany. […]
Toe-karena
Fivilian-dalana Mahavavy: misokatra ho an’ny fiara rehetra ny RN6 sy RN 5A
Miverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena RN 6 sy RN 5A. Fotoana tena ilain’ny mpampiasa lalana izany, indrindra amin’izao fialantsasatra lehibe izao. Vita tanteraka ny fivilian-dalana eo amin’ny tetezana Mahavavy, PK 568, amin’ny lalam-pirenena fahenina (RN 6). Misokatra ho an’ny fiara rehetra, nanomboka ny sabotsy 27 jolay teo. Voarakotra […]
VAOVAO TAMBATRA
Hanomboka ny tetikasa fananganana tohodrano mamokatra herinaratra any Volobe (CGHV) Toamasina. Eo am-pananganana ny biraon’ny orinasa CGHV hanao ny tetikasa ny any an-toerana, hiandraiketan’ny orinasa EGC mazava. Nanomboka ny 18 jolay teo ny asa, ary haharitra 105 andro, ho vita amin’ny 30 oktobra 2024. Nandray anjara tamin’ny fivoriana faha-46 nataon’ny […]
Toekarena manga : Jerena ny fitrandrahana ambany ranomasina
Natao tany Kingston Jamaïque ny fanomanana ny fivoriamben’ny « International Seabed Authority » (Isa) mahakasika ny fitrandrahana metaly sarobidy ao ambany ranomasina (Deep Sea Mining), ivelan’ny fari-dranomasina manokana (ZEE). Ahitana betsaka ireo karazana metaly ireo toy ny kobalta, Manganèse, Cuivre ny ranomasimbe Pasifika (Clipper Clipperton Zone) sy Indiana. Anisan’ireo nandray anjara […]
Toamasina : hitokona ny mpiasan’ ny seranan-tsambo
Mandrahona hampiato ny asa fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina ireo mpiasa avy ao amin’ny orinasa tsy miankina manao izany. Nilaza izy ireo fa misy halatra sy fitaka ny fandraisan-karama. Maherin’ny 50 000Ar ny vola alana amin’ny karaman’ireto mpiasa, nanomboka ny volana avrily, saingy tsy voaresaka tao anatin’ny fifanarahana arakasa izany. Ankoatra izay, […]