Voasambotry ny mpiasan’ny ladoany ao Nosy Be, ny sabotsy 13 desambra, ny lehilahy teratany Letton (avy any Letonia) iray. Tratra tao amin’ny seranam-piaramanidina iraisam- pirenena Nosy Be izy, saika hanondrana zava-mahadomelina hihazo an’i La Réunion tamin’ny zotra Air Austral. Nampiahiahy ny mpiasan’ny Fadintseranana ny entana nentiny, ka nasain’izy ireo nosokafana […]
Toe-karena
Maro ny lesoka mila harenina: 25 % ny harin-karena no entin’ny fambolena
Natao ny 18 desambra teo ny atrikasa namoahana ny fanadihadiana ireo foibem-pikarohana sy rafi-panjakana ara-pambolena eto Madagasikara. Ahitana ny Fofifa, ny Fifamanor, ny Sampandraharaha ho fanaraha-maso ny masomboly (Soc), ny Imvavet ary ny Cffamma, izany. Notsipihin’ny profesora Radanielina Tendro fa tsy mirindra ny fikarohana ara-pambolena eto Madagasikara ka mila fanarenana. […]
VAOVAO TAMBATRA
Hanatsara ny fanaraha-maso ny fanarahan-dalàna, ny kalitaon’ny vokatra ary ny tontolon’ny indostria ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny inspektera indostrialy. Napetraka ny paikady sy ny fomba fiasa vaovao hijerena ny traikefa avy any ivelany entina hanatsarana ny asa eto an-toerana. Hojerena ny fametrahana ny «corps des inspecteurs industriels» hanohizana ny asa vita […]
Madagasikara Organica: Fambolena biolojika manatsara ny nofon-tany
Orinasa iraisam-pirenena anisan’ny nisantatra sy nampiasa ny teknolojiam-pambolena biolojika ny World Organic Group. Teknika manatsara ny halonaky ny nofon-tany, tsy mampiasa zezika simika izay miantraika amin’ny tontolo iainana. Mihena ny fahalotoan’ny nofon-tany sy ny sosona mitahiry rano any ambanin’ny tany (nappes phréatiques). Izay no antony nananganan’ny World Organic Group ny […]
Minisitra Vololoniaina L. : Mihazakazaka ny fivoaran’ny fizahantany
Nazava ny tenin’ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana (MTA), Ramatoa Vololoniaina Lucie, nandritra ny Fakan-kevitra nasionaly ho an’ny fizahantany, natao ny 18 sy 19 desambra teo. «Mila hifantohana ny ho endriky ny fizahantany maharitra sy mampiaty, ho an’ny rehetra. Satria haingana be ny fivoarana, mafy ny fifaninanana. Tsy […]




