Toe-karena

Andraikitra fiarahamonina: mazoto hanao RSE ny 82% ny orinasa

Miroso tsikelikely ny fametrahana iraisana sy ny fampifanarahana amin’ny lalàna ny fandraisana andraikitry ny orinasa tsy miankina eo amin’ny fiarahamonina (RSE). Natao ny 26 jolay teo ny atrikasa fankatoavana ny Paikady nasionaly ma­ha­kasika ny fandraisana andraikitry ny orinasa amin’ny lafiny sosialy sy ny tontolo iainana (SNRSE). Fivoriana niarahan’ny minisiteran’ny Tontolo […]

Fizahantany: « Festival des baleines » any Sainte-Marie

Hatao ny 11 hatramin’ny 18 aogositra 2024 ho avy izao, any Sainte Marie, ny hetsika lehibe, “Festival des Baleines”. Miaraka mikarakara azy ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana, tohanan’ny Telma sy ny banky BNI. Nambaran’ny tale kabinetran’ny minisitera MTA, Rasoanaivo Diana, fa « ao anatin’ny fialantsasatra lehibe sady fahatongavan’ny […]

Vavatenina: nakatona ny fitrandrahana volamena

Olon-tsotra no nitrandraka volamena tsy ara-dalàna tanaty renirano any Vava­tenina. Mampiasa fitaovana avo lenta mihitsy izy ireo amin’izany. Nitaraina ny ben’ny Tanànan’i Vavatenina fa misy ny fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna ataon’ny olon-tsotra ao amin’ny renirano Sahavatoina. Tonga tany Mananonoka, kaominina sady distrika Vavatenina ny iraka avy amin’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ […]

Cosmos Madagascar : azon’i Anicet Brillant ny 5 tapitrisa Ar

Norombahin-dRania­ranjara Anicet Brillant, avy any Mahajanga, ny « bon d’achat » mitentina 5 000 000 Ar avy amin’ny magazay Cos­mos Madagascar tamin’ny alalan’ny « Super Tombola » nokarakarain’ny Cosmos manerana ny Nosy, ny 12 jona ka hatramin’ny 7 jolay. Mpan­jifa roa hafa koa no nahazo bon d’achat 3 000 000 sy 2 000 000 Ar. Natao […]

VAOVAO TAMBATRA

Vonona hanohana ny tetikasa « hydroélectrique » aty Madagasikara i Frantsa taorian’ny fihaonan’ny filoham-pirenena malagasy sy ny filoha Emmanuel Macron. Nifantohana manokana, nandritra ny fihaonana, ny sehatry ny angovo sy ny angovo azo havaozina izay hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Manana karazana granite maro loko i Madagasikara saingy voafetra ny […]