Notanterahina tetsy Analakely, omaly, ny atrikasa sy fampiofanana ireo mpiasan’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy fanajariana ny tany (MFFT). Niompana amin’ny hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro an-tanàn-dehibe ny fampiofanana. “Hampidirina ao anaty tetikasa hatreny anivon’ny kaominina amin’ny faritra manerana ny Nosy izany, indrindra ny an-tanàn-dehibe”, hoy ny talen’ny teti-pivoarana eo anivon’ny MFFT, Rateloson […]
Toe-karena
Tsara ny vokatra : nahatratra 3 000 t ny lavanila naondrana
Nihoatra ny hatramin’izay! Nahatratra 3 000 taonina ny lavanila naondran’i Madagasikara tany ivelany, nanomboka ny desambra 2023. Fatra ambony indrindra io raha toa ka manodidina ny 2 000 taonina ny salanisa fanondranantsika isan-taona hatramin’izay. Midika izany fa manomboka miverina amin’ny toerany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny sehatry ny lavanila malagasy, […]
Hazo sarobidy: tsy mirindra ny fitantanana ny hazo sy ny fanaka
Miompana amin’ny fanadihadiana ara-tsiantifika ny hazo sarobidy ny tetikasa “G3D”. Manaitra ny tomponandraikitra ny mpanatanteraka azy fa tokony hisy ny lalàna sy fepetra mandrindra ny fitantanana azy ireo. Tsy hita afa-tsy eto Madagasikara ny 30% ny voamboana sy ny andramena (Dalbergia) sy ny 36% ny volombodipona (Diospyros). Tandindomin-doza ny 82% […]
VAOVAO TAMBATRA
Tokony tsy hihoatra ny 3 500 Ar, ny kilaon’ny lafarinina araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny minisiteran’ny Varotra. Misy ny manararotra satria be loatra ny elanelan’ny vidin’ny vokarina eto an-toerana, 175 000 Ar ny iray gony 50 kilao, nefa amidy 200 000 Ar ny lafarinina avy any ivelany. Tambazotra herinaratra mampitohy […]
Jirama : hanangana toby famatsian-drano vaovao
Nanazava ny drafi-panarenan’ny Jirama ny tale jeneraly (DG), Ron Weis, omaly. Niaiky ny tenany, fa maro ny olana sedrain’ny orinasa satria efa tena antitra, 118 taona, ny fitaovana. Misy koa ny efa mihoatra ny 60 taona. « Efa nahavita fanarenana maromaro ny Jirama nanomboka izay 2 volana nitantanako ny Jirama izay, […]