Vao mainka niakatra ho 7 000 Ar ny kilaon’ny tongolobe eny amin’ny tsenan’ Andravoahangy. Nambaran’ny mpivarotra fa avy any amin’ny vidiny apetraky ny mpamongady azy ireo no mahatonga izany. Nilaza indray anefa ireto farany fa ny saram-pitaterana apetrak’ireo tompona fiarabe mpitatitra mihitsy no tena lafo. Mampiranty sy mampahafantatra ny tontolon’ny […]
Toe-karena
« Hackaton 2024 » : hatsaraina amin’ny alalan’ny niomerika
Mifantoka amin’ny fiainana an-tanàn-dehibe ny “Hackaton” amin’ity taona 2024 ity. Hotanterahina eto Antananarivo, ny 3 ka hatramin’ny 7 jona izao, ny andiany fahefatra. Misokatra ho an’ireo mpianatra eny amin’ny oniversite rehetra tia mikirakira ny teknolojia sy tetikasa vaovao, indrindra ireo miantsehatra ao anatin’ny tontolon’ny niomerika ny fifaninanana. Hiompana tanteraka amin’ny […]
Nanjono antsokosoko : sambo Sri-lankais roa voasazin’ny lalàna
Nilatsaka ny didy! Migadra roa volana an-tranomaizina ireo tratra nanjono antsokosoko taty amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara. Nivoaka ny 2 mey ny didim-pitsarana ka voasazy mandoa lamandy 1,050 miliara Ar isan’olona miampy 900 tapitrisa Ar isaky ny fesotsy (dauphin) ireo mpanjono tao anatin’ireo sambo Sri Lankais roa (Ruth Baby sy Ruth Baby […]
Mitohy foana ny trafika : Israeliana iray tratra nitondra sokatra 8, bibilava 4 ary tanalahy 23
Mipoitra indray ny hafa, na tsy mbola mifarana aza ny raharaha nahatrarana varika sy sokatra tany Thaïlande. Tratra nitondra sokatra sy bibilava ary tanalahy koa ny teratany israeliana iray, teny Ivato. Tratran’ny Fadintseranana teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny teratany israeliana iray, ny alatsinainy 6 mey teo. Karazany telo ny biby […]
Kolontsaina tia mandraharaha: mpianatra 200 mianadahy nahazo torohevitra
Miantoka ny famoronan’asa sy fitadiavam-bola maharitra ny tontolon’ny fandraharahana. Ilaina ny fanabeazana ny tanora hahay handraharaha sy handray an-tanana sahady ny hoaviny hamantarany ny lalan-kizorany rahatrizay. Nizara ny kolontsaina tia fandraharahana tamina mpianatra kilasy faharoa, miisa 200 mianadahy, avy amin’ny Lycée Akamasoa, Père Pédro, omaly, ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy […]