Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Hihatra manomboka amin’ity volana janoary ity ny fampakarana 14% ny karaman’ny mpiasam-panjakana. Hisy kosa ny fanambarana ny fampakarana “rappel” raha toa ka mbola tsy mihatra amin’ireo karama sasany izany. Mety handeha tsikelikely ihany koa ny fampakarana arakaraka ny minisitera. Miakatra avokoa ny vidin’ny legioma eny an-tsena, amin’izao fotoana izao. Mitaraina […]

Kly Randrianirina Michaël: «Mandresy lahatra ny vahiny handraharaha aty Madagasikara»

Vonona hiara-miasa amin’ireo mpampiasa vola samihafa i Madagasikira satria ma­nana ireo loharanon-karena stratejika mahasarika ireo mpampiasa vola. Vina napetraky ny fitondram-panjakana ny hialana amin’ny fampiasana solika mavesatra izay lafo sy mandoto ny tontolo iainana. Tanjona ny hampiasana ny angovo azo havaozina ho andry stratejika hampandrosoana ny toekarena. Tao anatin’ny lahateniny, […]

Vakinankaratra : Maro ny fotodrafitrasa vita

Maro sahady ny fiovana amin’ny lafiny fambolena sy fiompiana any amin’ny faritra Vakinankaratra tao anatin’izay roa volana nitantanan’ny minisitra Rasatarimanana José Nirina izay. Nataony laharam-pahamehana ny fanatsarana ny fotodrafitrasa. Miisa 12 ny Fikambanan’ny mpampiasa rano (AUE) notsidihin’ny teknisian’ny Fitantanam-paritry ny Fambo­lena sy ny fiompiana (DRAE) Vakinankaratra. Mirefy 398 km ny […]

Olan’ny famatsiana jiro sy rano: Nosoloina miaramila i Ron Weiss

Nesorin’ny Filankevi-pitantanan’ny Jirama tsy ho tale jeneraly intsony i Ron Weiss. Nosoloina ny jeneraly Rasolofomanana Hajatiana izy. Vita omaly ny fifamindram-pitantanana. Nahazo tale jeneraly vao­vao, noho izany, ny orinasa Jirama, araka ny ta­paky ny filankevi-pitantanana. Injeniera ny harena an-ki­bon’ny tany nianatra tao amin’ny Seko­ly ambony Politekni­ka, ny Jly Rasolomanana Hajatiana. […]

SEHATRA TSY MIANKINA : Nifanakalo hevitra tamin’ny fanjakana

Notanterahina omaly, tetsy Mahamasina, ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy mian­kina. Dinika natao handraisana ny hevitr’ireo mpandraharaha entina hanatsarana ny sehatra misy azy. “Fotoana hamoaboasana miaraka ireo sakana sy olana mitambesatra amin’ ny fampandrosoana ny indostria, ny orinasa, ny fandraharahana toy ny olan’ny famo­karana, ny angovo, ny […]