Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Niaraka namboly hazo honko ny mpisehatra samihafa tany Nosy Be, ny faran’ny herinandro teo. Anisan’izany ny mpiasa ao amin’ny orinasa Logistique pétrolière (LP), ny fikambanan’ny mpanjono, ny avy ao amin’ny Lycée Française, ny CEG Sakatia Nosy Be. Tanjona ny hamerenana amin’ny laoniny ny ala honko, manoloana ny fandringanana azy ireny. […]

Loka Mizunami Africa : fifaninanana tetikasa vaovao

Mampanao fifaninanana famoronana tetikasa vaovao (Star-up) ny fikambanana japoney Mizunami Africa ho an’ny orinasa madinika sy salantsalany (TPE-PME) malagasy. Iarahana miombon’antoka amin’ny NextA, ao anatin’ny vondrona orinasa Axian izany, entina hampiroboroboana ny toekarena sy ny sosialy eto Madagasikara. Hovatsian’ny Fondation Mizunami Africa vola mitetina 30 tapitrisa Ariary tsirairay avy ny […]

Behenjy : hamokatra herinaratra avy amin’ny tohodrano

Notokanan’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, omaly, ny toby mamatsy herinaratra avy amin’ny tohodrano ao Behenjy. Tanjona ny hampiroboroboana ny angovo azo havaozina. Manana tanjaka 1,4 MW ity toby ity, mamokatra herinaratra 900 000 Kwh isam-bolana, avy amin’ny reniranon’Andromba, Behen­jy, naorina ny taona 2015. Mitantana azy ny orinasa Hydromado. Mamatsy olona 700 […]

Tetikasa Taratra: mahakasika ny harena an-kibon’ny tany

Nitohy any Ranobe, kaominina Ankilimalinike sy Tsia­fanoka, kaominina Tsianisiha, samy distrika Toliara II, ny fampahalalana ny mponina ny zony sy ny tombontsoa tokony ho azony mahakasika ny tetikasa Taratra. Voakasik’izany ny lafiny harena an-kibon’ny tany sy ny fananan-tany. Loa­bary an-dasy novolavolain’ny kaonferansin’ny eveka, iarahany amin’ny fitantanana ny harena an-kibon’ny tany, […]